Politique

Fihaonana sy fivoriana Manao antsojay sy don-tandroka ny fanjakana


  • Alatsinainy 14 Aogositra 2023

Voasakana ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina raha siaka hihaona tamin’ny vahoakan’Ampanefena .Tsy hanao famoriam-bahoaka an-kalamanjana anefa aho,

hoy izy tsy nitarika korontana fa andeha hamonjy ny efitrano malalaka izay efa nomanina ho amin'izany, kanefa dia voasakana tsy mahazo mandeha .Mialohan’io dia efa voasakana raha hihaona amin’ireo mpiara-dia aminy ihany koa i Hajo Andrianainarivelo (MMM) . Tahaka izany ihany koa ny kandida Marc Ravalomanana izay voasakana matetika, ka nandefa ny fitarainana sary tany amin’ireo masoivoho samihafa sy sehatra iraisam-pirenena.
TAHOTRA SA HARATSIAM-PANAHY
Ary vao ny zoma 12 aogositra lasa teo tany Fianarantsoa no niharan’ny don-tandroka tahaka izany ihany koa i Tahina Razafinjoelina sy ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana.Nahavita fangatahana an-taratasy ara-dalàna izy ireo raha nikasa ny hihaona amin’ireo mpiara-dia aminy kanefa dia nolavina izany ary na dia efa tamina toerana mihidy sy mifefy tsara ary ana tsy miankina aza no nanaovana ny fihaonana dia mbola nanaovana don-tandrona nandefasana mpitandro filaminana ihany. Tena ilay zo fototra afaka mivory ao anatin’ny lalampanorenana mihitsy no voatohintohina ary tsy rariny izany hoy ireo mpanao politika tsy avela mihoana amin’ny vahoaka ireto.Matahotra ve ny fanjakana sa tena faharatsiam-panahy tsotra izao ilay izy ?
Legende : Efa tena niomana ry zareo FTT tao Fianarantsoa kanefa voatery nanova programa noho ny sakantsakana
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT