Fihaonana stratejika

amin’i Poutine any Moscou


  • Alakamisy 19 Febroary 2026

Ilain’ireo Firenen-dehibe isika, mila fetsy sy mailo ny Fitondrana…

Nanainga teto Madagasikara ny takarivan'ny talata teo ny delegasionina Malagasy tarihin'ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael, niazo an'i Moscou Renivohitra Rosianina. Mamaly ny fanasana ataon'ny Rosianina antsika Malagasy, ary ny faharoa dia fanehoana an'ilay "multilatéralisme" izay tsy mifidy Firenena ifandraisana fa misokatra amin'ny Firenena rehetra izay hanome tombotsoa ny vahoaka Malagasy dia ifandraisana. Naneho fa miasa mafy amin'ny fanarenana ny fahavoazana taorian'ny rivodoza ary miara-miasa amin'ny mpiara-miombon'antoka Iraisam-pirenena rehetra, hoy ny Kolonely Randrianirina Michael teo am-piaingana. Fiaramanidina manokana nalefan’ny Fanjakana Rosianina no nitondra ny delegasionina, izay nigadona omaly takariva tao Russie ary noraisina tamin'ny fomba manan-kaja amin'ny maha Filoham-panjakana azy. Nitsena azy ireo teny amin'ny seranam-piaramanidina ny Moscou ny Minisitra Lefitry ny Raharaham-bahiny Rosiana sy ny Talen'ny Arofenitra ary ireo Manam-boninahitra ambony eo anivon'ny Fiarovam-pirenena Rosianina. Stratejika ho an'i Madagasikara amin'ny lafiny politika sy jeopolitika izao. Tao anatin'ny 4 volana, nihazakazaka ny toe-draharaha sy sary ara-jeopolitika manodidina ny fifandraisantsika amin'ny Iraisam-pirenena, izay ao anatin'ilay hoe misokatra amin'ny rehetra izay ahazoana tombotsoa. Nisantaran'ny Filoham-panjakana ankehitriny ny fivoahany ny tany Dubaï izay nisiana fihaonana stratejika tamin-dry zareo Arabo, Amerikanina,... Ny tatsy Afrika Atsimo izay nihaonana tamin'ny Filohany Cyril Ramaphosa,... Izao mitohy amin'ny fihaonana lehibe heverina fa isan'ny goavana sy manan-danja izao satria ny Filoha Rosianina izany no Filohana Firenen-dehibe sy matanjaka hihaona voalohany amin’ny Filohantsika. Nialohavana dian'ireo delegasionina mafonja Rosianina miisa 44 sy fanolorana fitaovam-piadiana arahina fampiofanana ny tafika Malagasy io, ary nitohy amin'ny fandefasana fitaovana toy ny fiaramanidina sy angidimby ary fanampiana amin'ny maha olona noho ny rivodoza. Amin'ny politika, diplaomasia, jeopolitika,... tsy misy zavatra mandehandeha ho azy fa misy dikany sy lanjany avokoa ny zava-miseho sy fihetsika ary fanapahan-kevitra rehetra.

STRATEJIKA I MADAGASIKARA...
Andrasana ny mety ho akony ofisialy amin'izao fanasana sy fitsidihana ofisialy. Inona no tombotsoa hoentiny amin'ny Firenena? Inona no tambiny sao basy 10 dolara atakalo harena 100 dolara? Inona no mety ho ambana? Ahoana ny fihetsiky ny Tandrefana izay mpiara-miombon'antoka ara-bola amintsika voalohany hatreto? Andaniny mantsy, voalaza ihany koa ny mety hisiana fihaonana eo amin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron sy ny Filoha Malagasy any Paris afaka andro vitsy raha tsy misy ny fiovana. Midika fa mitohy sy misesy ny fitsidihana sy fihaonana stratejika ifanaovan'ny Fitondrana Malagasy sy ireo Firenenn-dehibe. Amin'ny lafiny iray, tsapa ny fiheveren'izy ireo ny maha stratejika an'i Madagasikara amin'ny lafiny harena, toerana misy antsika ara-jeografika,... Samy manao adisisika eto na ny Frantsay na ny Rosianina, fa eo ihany koa ny Amerikanina izay nandefa iraka mafonja teto vao iray volana lasa teo ho eo,...

ISIKA NO AFAKA MAMPANDROSO ANTSIKA VOALOHANY
Manana ny fiandrianam-pirenentsika isika saingy tsy afaka ny hiolonolona. Matoa koa mametraka antsika ho stratejika ireo Firenen-dehibe dia misy tombotsoany eto. Ny fahaizantsika misintona ny tombotsoa araka ny tokony ho izy ao anatin'ny fiaraha-miasa no zava-dehibe izay midika fa mila mailo sy fetsy isika. Mety mandeha ny adihevitra hoe: hiaraka amin'ny Tandrefana sa amin'ny tatsinanana? Aleo miala amin'ny Frantsay dia miditra amin'ny Rosianina? Manao ahoana ny tantara tany aloha fony isika nifamatotra kokoa tamin'ny tatsinanana sy ny sovietika? Nanao ahoana taty aoriana? Nanao ahoana rehefa nitodika indray tamin'ny Tandrefana sy ny rafitry ny Breton Woods? Inona no tombotsoa ara-toekarena avy amin’ny andaniny sy ny ankilany ? Tsy vitan'ny tora-po na kopisoroka io fa tena mifototra amin'ny fametrahana diplaomasia matanjaka sy fahaizana mikatsaka tombotsoa tena mipaka amin'ny Firenena, fa hatreto raha ny sary mitranga dia samy ilaintsika ireo. Tena miankina amintsika Malagasy no hahafahantsika mandroso fa fanampin-javatra ny vahiny. Misy zavatra maro mila ahitsy eto: politikantsika amin'ny Iraisam-pirenena, ny politika ara-toekarena sy ara-bola, ny fifehezana ny fitsabahana na "ingérence" sy ny ampihimamban'ny vahiny, ny famokarana, fampianarana, ...
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT