Miezaka mamerina ny firaisankinany ny mpanohitra izao fitondran’ny Fahefana avon’ny tetezamita izao, raha toa ka nandalo fotoan-tsarotra ary nahiana hipatitaka mihitsy aza, indrindra ny Ankolafy telo, taorian’ny fanendrena praiminisitra.
Taorian’ny fifampiresahana an-tariby teo amin’ireo filohan’ny ankolafy isany, Zafy Albert sy Marc Ravalomanana, ny faran’ny herinandro teo dia nisy ny fifanatonana ary nitatra tamin’ny Monima, tarihin’i Monja Roindefo izany, satria ireo aloha no mpanohitra efa nanao sonia ny sori-dalana. Nifamotoana teny amin’ny “Villa La Franchise” Ivandry, trano fonenan’ny profesora Zafy Albert, ireo mpitarika ny delegasiona eto an-toerana omaly misandratr’andro, nahitana an-dry Mamy Rakotoarivelo, Rolland Ravatomanga ary Henri Ranaivoson avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, ry Miandrisoa Marcel avy amin’ny profesora Zafy Albert ary i Monja Roindefo. Mazava loatra fa dia miezaka ny mampitovy tadin-dokanga indray izy ireo mba tsy hiverenan’ny toe-javatra tapa-bolana lasa izay, mba hampanjakana ny marimaritra iraisana. Raha azo atao aza dia ho feo (fotokevitra) tokana no entin’ny mpanohitra eo amin’ny firafitry ny governemanta, hiatrehana ny etsy ankilany, dia ny firohotana manohana an’i Andry Rajoelina. Savaranonando amin’ny famerenana indray ny firaisankinan’ny mpanohitra ihany ny omaly teny Ivandry ity.
Ny tolakandro, dia nampanantsoin’ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo, Mogheti Monaisa, sady mpitarika vonjimaika ny birao fifandraisan’ny SADC eto Madagasikara teny amin’ny biraon’ny masoivoho teny Ankorondrano ireto avy amin’ny mpanohitra ireto. Fihaonana izay naharitra ora telo, nanomboka tamin’ny telo ora. Te hahafantatra ny fivoaran’ny raharaha politika ity ambasadaoro ity, satria tsy teto an-toerana nandritra ny tapabolana teo ny tenany, noho ny fahoriana nidona tamin’ny fianakaviany. Voaresaka naharitra ny manodidina ny fanendrena praiminisitra ny zoma 28 oktobra sy ny zava-nitranga rehetra tamin’io andro io. Koa satria dingana nirosoana iny, dia niezaka nandresy lahatra ny mpanohitra ny ambasadaoro afrikanina tatsimo, mba hiditra anatin’izany dingana fampiharana ny tondrozotra izany.
Araka ny fantatra dia naneho ny ahiahiny ny avy amin’ny mpanohitra avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana, ankolafy Zafy ary ny Monima ireto, nefa koa mitady antoka fa hohajaina ny tenierana sy marimaritra iraisana. Rehefa izay dia nampafantatra azy ireo Atoa Mogheti Monaisa fa manana hatramin’ny anio alarobia ny mpanohitra hanolorany anarana ho minisitra handrafitra ny governemanta, raha tapa-kevitra fa hiroso. Ary dia ny alakamisy sy zoma no hihaonan’ny praiminisitra Beriziky amin’izay kandida minisitra avy amin’ny mpanohitra ireo. Omaly dia efa nandeha ny feo fa homena ny ankolafy Ravalomanana ny toerana iray amin’ireo praiminisitra lefitra roa. Fantatra fa dia mbola hitohy anio ny fihaonan’ny mpanohitra amin’ny ambasadaoro Mogheti Monaisa, saingy tsy horaisina miaraka toy ny omaly izy ireo fa halefa tsirairay. Alarobia tsy miverina izany ity, ary mety ho tsosorimamba hisarahana ihany koa, raha toa ka …
Marihina fa tonga nitady fihaonana tamin’ny mpitarika vonjimaika ny birao fifandraisan’ny SADC teny Ankorondrano koa omaly tolakandro ny delegasiona avy amin’ny GMMR sy ny TIM Raharinaivo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.