Anisan’ny mpitarika antoko politika tsy manaiky ny fangatahan´ny amiraly Ratsiraka ny hanaovana ilay fihaonana an-tampony mialoha ny 17 novambra, Atoa Rajaonarivelo Pierrot, filoha nasionalin´ny MDM, araka ny nambarany tao Mahavelona Foulpointe.
Nolazainy fa “tsy tafiditra ary tsy hita ao anatin´ny tondrozotra natao sonia teny Ivato ny fanaovana io fihaonana an-tampon’ireo filoham-pirenena miaraka amin’ny filohan’ny FAT sy filohan´ny antoko io. Tsy mbola nisy koa ny resaka nataon´ny Troika sy ny Sadc nilaza ny hanaovana izany sy ilana izany amin´ny famahana ny krizy malagasy”, izay notsindriany ihany koa fa “manitatra ny raharaha efa miha milamina ankehitriny ny fanaovana fivoriana an-tampony.
Isika ary izao efa nahazo praiminisitra iraisana, ary eo am-pananganana ny governemantany Atoa Beriziky Omer ankehitriny, ka tsy aleo ve izay no hirosoana dia hivaha ny olana”. Nomarihan´ny filohan´ny MDM ihany koa, fa “tsy ilaina intsony ny fandaniana andro amin´ny famahana ny krizy. Ny governemanta hitsangana eo dia tokony hahitana ny vondrona 10 nanao sonia sy mpandray anjara mivantana ao anatin´ny tondrozotra, anisan’izany ny MDM ary vonona ny hiditra ao anatiny raha izay no fanendrena ataon´ny praiminisitra vaovao io”. Raha ny fahitan´Atoa Rajaonarivelo Pierrot kosa, ny fisintahan´ny ankolafy Ravalomanana ao anatin´ny fampiharana ny tondrozotra, dia “tsy mbola afaka hiteny isika fa tena niala tokoa ny ankolafy Ravalomanana. Mbola mandeha ny fifampiresahana sy ny dinika samy hafa eo amin´ny mpanao politika sy ny ankolafy samy hafa, ka aleo aloha hotendrena ny minisitra ny 17 novambra izao, dia izay isika vao afaka hilaza fa tena niala marina izy ireo”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.