Politique

Fihaonana an-tampon’ny Frankofonia Nanasa ny Filoha ny Sekretera Jeneralin’ny OIF


  • Talata 13 Septambra 2022

Taorian’ny fahatongavany teto Madagasikara ny 10 septambra teo, noraisin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina teny Iavoloha ny Sekretera Jeneralin'ny ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie),

Ramatoa Louise Mushikiwabo omaly 12 septambra 2022. Tafiditra ao anatin’ny fitsidihan'ity Sekretera Jeneraly ity ireo firenena mampiasa ny teny frantsay eto amin'ny ranomasimbe indiana moa izao diany eto Madagasikara izao. Noresahana ny fanamafisana ireo seha-piaraha-miasa eo amin'ny OIF sy Madagasikara toy ny fanohanana ireo vehivavy eny amin'ny tontolo ambanivohitra hahaleo tena amin'ny alalan'ny fandraharahana, ny ady amin'ny fiovaovan’ny toetrandro, ny fanohanana ireo ezaka amin'ny sora-piankohonana (état civil), ny fanabeazana sy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy eto Madagasikara. Nizara ny hafaliany amin'ny fahombiazan'ireo tetikasa iarahan'ny OIF amin'i Madagasikara Ramatoa Louise Mushikiwabo ary naneho ny faniriany ny hivelaran'izany bebe kokoa ankoatran'ireo kaominina andrana (sites pilotes), araka ny tatitry ny Fanjakana. Nanasa manokana ny Filoha Andry Rajoelina ihany koa ny tenany amin'ny fihaonana an-tampon'ny firenena miteny ny teny Frantsay izay hatao any Tunisie ny 19 sy 20 novambra ho avy izao. Tena hain’ny Fanjakana Malagasy ve ny misikotra izay tokony ho tombotsoa azo anatin’ny Frankofonia ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT