Fihaonan'i V. Poutine sy Kolonely Michael

Stratejika sy avo lenta, hisokatra ny fiaraha-miasa maro...


  • Zoma 20 Febroary 2026

Tontosa omaly 19 febroary 2026 tao

amin'ny Lapam-panjakana tao Kremlin ny fihaonana ofisialy sy fifampidinihana teo amin'ny Filoha Rosianina Vladimir Poutine sy ny Filoham-panjakana Malagasy Kolonely Randrianirina Michael, rehefa nisy ny fanasana nataon'ny Rosianina, hiresahana momba ireo olana iombonana. Fihaonana nikaton-trano, narahina tafa tafa fohy, ka ,avoitran'i Vladimir Poutine fa "Madagasikara dia isan’ireo mpiara-miombon’antoka lehibe indrindra ho an’i Moscou eto Afrika". Naneho fiaraha-miory i Vladimir Poutine taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza nahafatesana olona moa ny Filoha Rosianina, ary nanambara fa manohana an’i Madagasikara amin’izany. Nampatsiahy ihany koa fa efa 55 taona mahery ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny firenena roa tonta, ary naneho ny fahafahana mampivelatra ny fiara-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra ao amin’ny Firenena Mikambana, ary koa amin’ny sehatra maha-olona. Naneho fa manana vinavina tsara ny firenena roa tonta amin’ny fanamafisana ny fifandraisa na, anisan’izany ny eo amin’ny politika. Nampahatsiahy ny filoha rosiana Vladimir Poutine ny amin'ireo sehatra tian’i Rosia hampivelatra fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. “Maro ny lafiny ahafahantsika miara-miasa”, hoy izy nanamafy. Noresahany manokana ny momba ny fambolena, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny fitsaboana, ny angovo, ny jeôlôjia ary koa ny fahasalamam-bahoaka. Mazava ho azy fa tsy latsa-danja amin’ireo ihany koa ny fiaraha-miasa ara-tafika. Notsiahiviny fa “maro ny Malagasy manohy fianarana ambony any amin’ny oniversite rosiana”. Ny vondrom-piarahamonina malagasy monina any Rosia dia ahitana betsaka ny mpianatra, ary nodinihin’ny Filohan'ny Fanavaozana nandritra ny fihaonany tamin’ny solontenan’ny diaspora ny fahafahana mandefa tanora Malagasy maro kokoa hanohy fianarana any Rosia. Ankilany, nankasitraka tamin'ny fanasana ary naneho fa i Russie dia manan-danja sy heverina fa afaka hanohana an'i Madagasikara bebe kokoa amin'izao zava-tsarotra izao. Naneho fa faly sy vonona hiaraka hiasa amin'ny lafiny rehetra: sosialy, fampianarana, sosialy, angovo sy akoran'afo, fotodrafitrasa,... "Vonona tanteraka hanokatra fomba fiaraha-miasa vaovao taorian'ny 55 taona efa niarahana, ka mba ho ohatra velona aty Afrika", hoy ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael. Tsara ny manamarika fa anisan'ny anatin'ny delegasionina mafonja miaraka amin'ny Filohan'ny fanavaozana ny Repoblika ireo mpikamban'ny governemanta miisa enina: minisitry ny foloalindahy , minisitry ny raharaham-bahiny , minisitry ny harena an-kibon’ny tany ary ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola , minisitry ny fambolena sy fiompiana , minisitry ny angovo sy ny akoran’afo,... Ireo amin'ny ankampobeny no isan’ireo sehatra lehibe eo amin'ny fiaraha-miasan'i Russie sy Madagasikara nodinihina tany Rosia, izay heverina fa stratejika ho an'i Madagasikara.

MILA MAHAY MANARARAOTRA
Zava-dehibe amin'i Madagasikara ity eo amin'ny toerantsika ara-politika, jeopolitika, toerakarena,... Mety manova ny sary sy fijerin'ny iraisampirenena. Asa hanao ahoana ny ho fihetsik'ireo Firenen-dehibe hafa sy ny mpiara-miombon'antoka ara-bola sy ara-teknika? Inona no hivoitra eo amin'ny fihaonanan'ny Filoha Malagasy amin'i Emmanuel Macron ? Ny zavatra tsapa aloha dia samy miezaka mampiseho sary fa manohana an'i Madagasikara ireo izay misy endrika fifaninanana, raha tarafina amin'io fanohanana ny traboina io. Tsy mampiseho fiandaniana kosa i Madagasikara, fa manamafy an'ilay hoe : "toutes azimuts" sy "multilatéralisme" izay midika fa misokatra amin'ny fiaraha-miasa Iraisam-pirenena rehetra. Eo ny maha Firenena mahantra antsika, fa manan-danja ihany koa isika eo anatrehan'ireo Firenen-dehibe sy Vondrona Iraisam-pirenena. Mila mahay manararaotra sy mahay milalao ny fifandanjan-kery Iraisam-pirenena isika, mila mafy be amin'ny diplaomasia politika sy ekonomika! Ny zava-dehibe dia manan-danja amin'ireo isika fa tsy maintsy misy "enjeux" na lokan'ady ngezabe koa anefa: harena an-kibon'ny tany, toerantsika ara-jeografika,... Tsy misy zavatra mandehandeha ho azy na maimaimpoana, tsy hoe tia be antsika ny vazaha dia manampy fa misy koa ny tamberiny, ka ny zava-dehibe dia ny hoe: ahoana no hamadihana ny fiaraha-miasa ho samy mahazo tombony ara-drariny (win-win) sy ho vokatra tena manainga ny toekarena sy miteraka fandrosoana azo tsapain-tanana ho an'ny Malagasy ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT