Fihaonamben’ny COI, fiaraha-miasa amin’i Lafrantsa

Tonga misava làlana ny Minisitra Thani Mohamed Soihili


  • Alakamisy 20 Martsa 2025

Mitsidika eto Madagasikara eto Madagasikara manomboka anio 20 martsa hatramin’ny rahampitso

i Thani Mohamed Soihili Minisitra delege eo anivon’ny Minisiteran’ny ny Raharaham-bahiny sy Eoropa, misahana ny Frankôfônia sy ny Fiaraha-miasa Iraisam-pirenena, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Masoivoho Frantsay eto amintsika. Anio 20 martsa, dia handray anjara amin’ny fankalazana ofisialy ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Frankôfônia, hetsika karakarain’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Frankôfônia (OIF) sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy. Io lanonana io dia ho fotoana hanamafisana ny fifamatorana eo amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Frankôfônia ary hampiroboroboana ny fanamby noraisin’ireo Filoham-pirenena sy Governemanta nandritra ny « XIXème Sommet de la Francophonie », izay natao tany Villers Cotterêts tamin’ny volana oktobra lasa teo, hoy ny tatitra. Hisy ihany koa ny sonia fifanarahana amin’ny Minisitra Malagasy misahana ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Ramatoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, amin’ny fanomezana 5 tapitrisa euros ho fanohanana ny sehatry ny fahasalamana sy ny fiarovana ara-tsakafo, izay sehatra ifantohan’ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa. Ny 21 martsa, handray anjara amin’ny fihaonambe minisitera an’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI), izay hifantoka amin’ny lohahevitra fambolena, ho fanomanana ny Fihaonamben’ny Filoham-pirenena ao amin’ny COI izay hatao amin’ny 24 aprily ary hanasongadina ny lohahevitra “Fiarovana sy fahavitan-tena ara-tsakafo”. Hisy ihany koa fihaonana ifanaovany amin’ny Sekretera Jeneralin’ny COI Edgar Razafindravahy. Ity fitsidihana ity dia fotoana iray hanehoana ny fanolorantenan’i Frantsa amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara, indrindra fa amin’ny 27 sy 28 martsa no hotanterahina any Paris ny Sommet "Nutrition pour la Croissance" (N4G), hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT