Hihantrana am-bava basy ny EMMO-NAT…
Fotoam-pitsarana, fotoam-pihanianana, fametrahana mari-boninahitra maha Filohan’ny Repoblika, lanonana ara-miaramila amin’ny maha Lehibe farantampon’ny foloalindahy ny filoham-pirenena, fety, Tombola, afomanga,... no endrika isehoan’ny lanonam-panjakana hatao ny sabotsy 16 desambra izao mandritra ny fihanianan’i Andry Rajoelina, raha ny fanazavana omaly nataon’ny mpandrindra sy ny avy amin’ny EMMO-NAT omaly 12 desambra. Nambara fa efa mipetrapetraka ny lamina sy arofenitra amin’ny fanatanterahana izany. Nanao ny famerenana farany mialohan’ny tena izy ny mpitandro ny filaminana omaly. « Efa mipetrapetraka ny lamin’asa sy ny toromarika rehetra, ny fitaovana,… mba hanomezana hasina sy lanjany ny fihanianana satria sady Filohan’ny Repoblika no Filoha farantampon’ny foloalindahy. Manainga ny vahoaka Malagasy rehetra hanome voninahitra io lanonana io satria Raiamandren’ny Malagasy rehetra io, ary ny any ivelany aza tonga hanotrona izany, mainka fa isika eto an-toerana », hoy ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin izay notronin’ireo Lehibe mpitarika eo anivon’ny EMMO-NAT. Manodidina ny 6000 moa ny mpitandro ny filaminana voalaza fa hahehitsika mandritra io lanonam-pihanianana io eto Antananarivo, ary niverina indray ny fampitandremana hentitra dia hentitra fa tsy hisy ny fitsitsiana eo anatrehan’ny mety ho fisiana hetsi-panoherana, izay manamafy fa tsy misy ny fitoniana politika, ary mbola mitoetra ny tsy fahamarinan-toerana. Nanamafy ny fanambarana efa nataon’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Angelo Ravelonarivo izay nilaza fa tsy azo atao ny manao fihetsiketsehana ara-politika ao anatin’ny herinandro mialohan’ny fihanianana, ary hosamborina avy hatrany izay minia manao izany. «Mangataka ny rehetra hanaraka ny toromarika rehetra amin’ny fandaminana, ary mampitandrina an’izay rehetra marivo salosana mitady hanakorontana an’izany lanonana manana ny maha izy azy izany,… Tsy handefitra amin’izany izahay, fa dia handray ny andraikitray tanteraka raha sanatria misy mihoam-pefy », hoy hatrany ny Lehiben’ny Etamazaoro. Ity farany izay nanamarika eo anatrehan’ny fisiana kolonely miisa roa nalefa any Tsiafahy, fa ny tafika Malagasy dia miaina anatin’ny fanajana ny lalàna sy ny fitsipi-pifehezana, ary raha misy olona izay tafiditra amin’ny zavatra tsy dia mazava loatra, dia tsy midika fa ny tafika iray manontolo no marary. Naneho noho izany ny tenany amin’ny maha Lehiben’ny Etamazaoro azy, fa tsy manana ahiahy amin’ny hizoran’ny lanonana amin’ny 16 desambra, ary ny tafika Malagasy tsy tia korontana fa mitady filaminana, ka izay no handraisana fepetra amin’izay ambaran’izy ireo fa minia manakorontana.
Momba ny fanatrehan’ireo Filoham-panjakana vahiny moa, dia mbola tsy fantatra mazava ny isany sy ny ho avy satria misy ny fanasana, ary mbola anatin’ny fiandrasana ny fanamafisana ny fahatongavana, hoy ny tatitra. Momba ny fandaminana kosa, vavahady dimy no hivoha no hivoha mba hisorohana amin’ny fikorontanana, ary nambara fa ara-teknika dia eo amin’ny adin’ny roa sasany na adin’ny telo eo dia tafiditra ny olona, hoy Rahelisoa Virginie avy amin’ny Komity mpandrindra.
.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.