Fihanianan-dRajoelina

Efa tonga eto ny Filoha Maorisianina


  • Zoma 15 Desambra 2023

Tonga eto Madagasikara ny Filoham-pirenena Maorisiana,

Andriamatoa Prithvirajsing Roopun. Isan'ireo Filoham-panjakana hanatrika ny fihanianan'Atoa Andry Rajoelina rahampitso 16 novambra. Ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, Ntsay Christian no nitsena ireo delegasiona niaraka taminy teny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato. Hita teny an-toerana ihany koa ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa. Raha tsiahivina dia i Maorisy no firenena voalohany notsidihin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2019 vao tafapetraka ho Filoha izy. Nialohan’io dia nisy ihany koa ny delegasionina sinoa tonga. Ny Lefitry ny Filohan'ny Komitim-pirenena faha-14 n'ny "Conférence Consultative Politique du Peuple Chinois", Andriamatoa Hu Chunhua, no iraka manokan'ny Filohan'ny Repoblika entim-bahoakan'i Chine, Xi Jinping, mandritra ny lanonam-pitsarana hanaovan'ny Filoham-pirenena fihanianana, hoy ny tatitry ny governemanta Malagasy. Nandray an'ireo delegasiona notarihiny teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly tolakandro.
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT