Politique

Fifidianana tsy tanteraka Hiteraka savorovoro marolafy


  • Zoma 23 Martsa 2018

Fitondram-pankajana tena fetsy ity indray mitoraka ity. Nandritra ny fanokafana ny Seminera ifanakalozan'ny RECEF dia nilaza ny filoham-pirenena fa mbola mianatra demokrasia isika nandritra ny kabary lahateniny.

 

 Rehefa akaiky fifidianana toy izao dia toy ny hoe demokratika sy ara-dalàna tsara ny olona mahazo seza ary tsy azo hozongozonina mihitsy. Noho izany, any amin’ny resaka fifidianana no ametrahany ny fototra hanamafisany ny sezany. Iaraha-mahita rahateo fa maro ireo lesoka ao amin’ny CENI izay nahazo fanakianana mafy avy amin’ny vahoaka. Ny tena mampanahy ny maro dia ny hiverenan’io fomba familiviliana ny demokrasia io mba tsy hanatanterahana ny fifidianana. Mitarazoka rahateo ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana eo anivon`ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona. Inona tokoa no hitranga raha tsy misy fifidianana amin`ity taona 2018 ity ? Manahy hala-bato sy fomba fanao tsy mifanaraka amin’ny demokrasia ary ny soatoavin’ny fifidianana ny olona. Raha vao mihemotra io ary raha sanatria, ka tsy vita amin’ity taona ity dia mbola ho zavatra hafa indray no iainantsika eto ary tsy misy hahalala izay zavatra hitranga.

Tsy voafehy

Izany indrindra no loza mitatao miandry antsika. Azo antenaina fa hisy ny fifandirana politika lehibe izay hiteraka krizy vaovao ary tena hihamafy. Hitombo ny fahasorenan’ny Malagasy ary hisy fipoahana ara-tsosialy ary tsy voafehy intsony ny sehatra maro ary anisan`izany ny tsy fandriampahalemana eto amin`ny firenena. hiharatsy hatrany ny fandriampahalemana eto amin’ny Firenena, indrindra fa ny tontolo politika satria samy mahatsapa ny rehetra fa amin’izao fotoana izao dia tsy misy olona tsy voakasiky ny tsy fandriampahalemana. Mila miezaka daholo ny tompon’andraikitra hanao izay hahatanteraka ny fifidianana. Nefa raha tsy voafehin’ny mpitondra ny raharaham-pirenena dia mety hizotra mankany amin`ny tetezamita izany. Efa miteraka resa-be ihany koa eo anivon`ny fiarahamonina ny fankazana ny faha-42 taonan’ny antoko AREMA rahampitso sabotsy. Somary nangingina ity filoha teo aloha ity kanefa olona tena mahafehy ny tetezamita izy ary voaporofo io nandritra ny taona 2009. Misy zavatra ketrehany ve sa handrava ny fitondrana mihitsy dia hanangana tetezamita ? Mety mbola hikiry ho kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena ve ny tenany ? Heverina fa amin`io fotoana io no hanaovan’ny Amiraly Didier Ratsiraka fanambarana lehibe sy hitondrany ny heviny momba ny raharaham-pirenena.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT