Fifidianana tsy haha marin-toerana

Hitera-doza raha tsy mifampiresaka sy mifandamina…


  • Alarobia 22 Novambra 2023

Aoka izay ny fanaovana sorona ny vahoaka sy ny firenena na ho an’ny andaniny na ny ankilany !

Ajanony tsy misy hatakandro ny fifandranitana sy ny ramatahora amin’ny endriny rehetra, aoka hajaina ny zo maneho hevitra ankalalahana ho an’ny rehetra, hoy ny KMF/CNOE Fanabeazana olom-pirenena. Notsipihin’izy ireo fiaraha-midinika sy fitadiavana marimaritra iraisana ihany no ahafahan’ny firenena mandroso ao anaty fitoniana, ary làlana roa no ahafahan’ny mpitondra izay ho lany eo manana fahamarinan-toerana, dia ny fifampidinihan’ny herivelona eto amin’ny firenena mba hiara-hikaondoha amin’izay hitondrana ny firenena hialàna amin’ny korontana, na ny fampiasana herisetra izay tena loza ho an’ny firenena. Mila hatsaraina ny lalana momba ny fifidianana sy ireo “ordonnances des années 60”, hoy hatrany ity Fikambanana ity. Momba ny CENI, takiana hanao fanadihadiana ireo tsy fanarahan-dalàna rehetra niseho mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana fa fahefana nomen’ny lalàna azy izany. Miandry ny fanasaziana ireo rehetra nandika lalàna nandritra iny fifidianana iny ihany koa ity Fikambanana ity. Miandry ny tatitry ny fampiasam-bola nataon’ireo kandida nandritra ity fifidianana ity ihany koa. Nahitsy izy ireo nilaza fa Filohan’ny Malagasy rehetra izay lany eo fa tsy Filohan’izay nifidy azy ka ny Malagasy rehetra no mila misitraka ny tombontsoa fa tsy izay manana ny karatry ny antoko sy ny mpiara-dia aminy ihany. Soso-kevitra no nataon’ny KMF/CNOE eo anatrehan’ny taham-pandraisana anjara tamin’ny fifidianana izay tena ambany dia ambany. Ny renivohitra izay tena mpandoa hetra no tena mpandoa hetra no tena tsy narisika tamin’ny fifidianana. Ny tohin’ny aza mifidy dia hoe : tahaka ny tsy misy ny fifidianana, ny lojikany dia mety hola lasa any amin’ny tsy fankatoavana ka « désobéissance », ka ho sarotra satria 60% any no tsy nifidy, izay manamafy ny tsy fahamarinan-toerana. Efa tsy mpandoa hetra ny Malagasy kanefa mbola misy an’ity hoe izahay tsy mankasitraka an’io dia asa izay hiseho, ka tena ilaina ny fifampiresahana, raha soso-kevitry ny KMF/CNOE.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT