Tara ora roa be izao ny fanombohan’ny fifidianana loholona tao amin’ny kaominina Tsiafahy teny amin’ny lycée Andoharanofotsy omaly.
Tsy tonga nanatanteraka ny adidiny mantsy ireo mpikambana 7 niatrika fiofanana tokony hitantana ny birao fandatsahambato ao amin’ity kaominina eny Atsimondrano ity. Fanapahan-kevitra noraisin’ireo tompon’andraikitra samihafa teny an-toerana ny firosoana tamin’ny fifidianana taorian’ny fifampidinihana sy fikaroham-bahaolana teo amin’ireo mpifidy notarihan’ny ben’ny tanàna. Tsy maintsy nisy kosa anefa ny fifandaminana tamin’ireo mpikambana hafa tao amin’ireo birao fandatsahambato hafa miaraka amin’ireo olona efa manana traikefa tamin’ny fitantanana biraom-pifidianana. Lasa filoha voatendry vonjimaika nitantana ny birao fandatsahambaton’ny kaominina Tsiafahy noho izany Rabarison Charlot. Resaka tambin-karama tsy voaray moa no antony voalaza fa tsy nahatongavan’ireo tompon’andraikitra mpitantana ny birao fandatsahambato, araka ny tsilian-tsofina re. Tsy izy ireo ihany anefa no nanana ity olana ara-bola ity fa ny ankamaroan’ireo mpikambana tao amin’ireo biraom-pifidianana teny amin’ny distrikan’Atsimondrano. Nanahirana ihany koa ny momba ny sakafon’izy ireo raha ny vaovao voangona teny an-toerana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.