Araka ny loharanom-baovao nampitain’ny kandidŕ iray avy any Tolagnaro dia mangataka ny fanafoanana ny valim-pifidianana solombavam-bahoaka any amin’ity Distrika ity ny kandidŕ 22 amin’ny 24, noho ny fisian’ny halatra mibaribary sy tsy fanarahan-dalŕna maro niseho tany an-toerana nandritra ny fifidianana ny 20 desambra teo.
Voalaza tamin’izany fa nisy kandidà nampiasa sefo Fokontany ka nanarama ireo roa hetsy Ariary avy nialohan’ny fifidianana ka hanao fampielezan-kevitra ho an’ny kandidà roa izay mitarika amin’izao fotoana any an-toerana. Ankoatra io dia nosandaina vola 2000 Ariary sy 3000 Ariary ihany koa ireo mpifidy nandritra ny androm-pifidianana mba handatsa-bato ho an’ireo kandida 2 ireo raha nomena 3 hetsy Ariary mba hameno ireo biletà tokana tsy feno rehetra ho an’ny vaton’ireo kandidà roa ireo ny tompon’andraikitry ny biraom-pifidianana. Nametraka fitoriana eny anivon’ny CES ireo vondrona kandidà ireo ary efa nanao izany ihany koa ho an’ny CENI-T mba ho fampahafantarana ny zava-misy any an-toerana, miaraka amin’ny porofo rehetra mikasika ny fanomezana vola, fanaovana fampielezan-kevitra ny andron’ny fifidianana ary ny fividianana olona handatsa-bato ho an’ny kandidà io. Mandrahona hidina andalambe ireo kandidà 22 ireo raha tsy mahazo valiny mahafapo amin’ny fitakiany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.