Fifidianana sy fiaraha-miasa

Hitondra tan-tsoroka hatrany ny PNUD


  • Alarobia 11 Septambra 2024

Nihaona tamin’ny CENI tamin’ny alalan’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana ny solontena maharitra

vaovaon’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana iraisam-pirenena na ny PNUD eto Madagasikara Atoa Edouard Christophe omaly 10 septambra, raha ny fampitam-baovaon’io Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana io. Fihaonana ara-pomba fifanajana, saingy tsy nitondra tanam-polo io diplaomaty io fa nitondra ireo hevitra efa notovoziny nandritra ny fotoana nahafantarany fa hiasa eto Madagasikara izy, hoy ny Mpampaka-tenin’ny CENI Atoa Soava Andriamarotafika. Nanao fanadihadiana tetsy sy teroa momba ny fiaraha-miasa, ka nilazan’ny CENI fa naneho ny fahafaham-pony tamin’ny fiaraha-miasan’ny PNUD tamin’io rafitra io, ka niarahabana io Vaomiera io ny amin’ny fahaiza-manao sy fahafehezana ny raharaham-pifidianana izay tao anatin’ny herintaona dia nahavitana fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka, ary hiroso amin’ny ben’ny tanàna. Nambara fa vonona tanteraka amin’ny fiaraha-miasa sy tan-tsoroka amin’ny raharaham-pifidianana. Hisy noho izany ny karazana komity manokana na « comité de pilotage » hamariparitana ireo zavatra heverina fa zavatra maika tokony hahafahana mifanome tànana eo amin’ny CENI sy ny PNUD, fa eo ihany koa ireo vinavinan’asa lavitr’ezaka izay efa tokony hofaritana sahady, raha ny tatitry ny fihaonana hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT