Fifidianana solombavambahoaka teny Avaradrano

> Mitarika lavitra ny kandidan’ny Ankolafy Ravalomanana


  • Talata 24 Desambra 2013

Mitarika amin’ny elanelan’isa lavitra be raha mihoatra amin’ireo mpifaninana taminy teny Avaradrano ny kandidŕn’ny Ankolafy Ravalomananan, Andriamitantsoa Bejamin.

Voaporofon’ireo fitanana an-tsoaratra na PV voaangon’ireo delege avy amin’ny Kaominina 14 mandrafitra ity Distrika ity fa nahery hatrany izy tamin’ny vokatra azo. Manaraka azy ao amin’ny laharana faharoa, mbola vokatra vonjimaika ihany koa, ny kandidan’ny Avaradrano Miaradia, Dr Heriniaina Andriambelosoa, mpandraharaha any amin’iny faritra iny ary saika tamin’ireo Kaominina nitarihan’iry voalohany koa izy no nahazo vato betsaka. Ny olana mitranga dia misy PV vitsivitsy tsy nomen’ireo mpikambana tamin’ny biraom-pifidianan sasantsasany ka mbola tsy eo am-pelatanana ny vokatra tamin’ireny ka eo no hitoeran’ny fanontaniana hoe : “ho voatanan’ity kandida ity hatramin’ny farany ve ity laharana faharoa ity” ? Na dia any amin’ny CES aza ny teny farany dia mino izahay, hoy ny mpomba ity kandidà dokotera ity tsy hisy fiovàna firy intsony io vokatra efa eo ampelatanana ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT