FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA

Ny fahamarinana no mampandroso ny firenena, hoy Pastera Heritiana


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Anisan’ny mitana ny sain’ny mpanara-baovao rehetra amin’izao ny mety ho vokatry ny fifidianana

solombavambahoaka notanterahina ny 29 May lasa teo. Lasa mitsombadika ambony ambany mantsy izany ho an’ny kaominina sy distrika sasany izay ahiana hiteraka korontana mihitsy. Naneho ny heviny mifandraika amin’izany Pastera Heritiana Randriarimalala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny trano Fivavahana Vahao ny oloko omaly. Nambarany fa izay tompon’ny fahefana ihany no tompon’ny lakile eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny vahoaka no tompom-pahefana hoy izy ary efa nasehony tamin’ny alalan’ny fifidianana izay olona tiany hisolo vava azy eo anivon’ny Antenimieram-pirenena izany. Tokony hajaina araka izany hoy izy ny fahamarinana fa ny fahamarinana no mampandroso ny firenena. Izay resy hoy izy dia tokony hahazaka resy ary hanana toe-po mahay mandefitra fa tsy maintsy misy lalan’Andriamanitra hitondrany izany olona izany foana ao ambadika ao. Ho an’ireo naharesy kosa izy dia tsy tokony handraraka ilom-by an-doha ny fitokisana napetraky ny vahoaka taminy mba hahafahana mampandroso ny firenena marina. Miantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hanaja izay fahamarinana izay araka izany ity raiamandreny am-panahy iray ity.
Pati
Legende : Tsara raha mijoro amin’ny fahamarinana mandrakariva ny tompon’andraikitra hoy Pastera Heritiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT