FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA

Mbola betsaka ireo tsy afaka hifidy


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Mbola betsaka ireo olom-pirenena feno taona ahiana tsy ho afaka handatsa-bato amin’ny fifidianana

solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey ho avy io. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina Fokontany maromaro teto amintsika mantsy dia tsy mbola misy hatreto ny afisy avy amin’ny sampandraharaha misahana izany mipetraka mampahafantatra ny fahatongavan’ny kara-pifidianana ho an’ireo tsy nahazo izany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Mbola tsy misy ihany koa mazava ho azy ny fizarana izany ka mampametra-panontaniana ny olom-pirenena. Mitovy avokoa io tranga io ho an’ny Fokontany manodidina ny 20 isa teo ho eo na teto an-drenivohitra izany na tany ivelan’ny renivohitra. Rehefa nanontany sefom-pokontany iray moa izahay dia fantatra fa mety tsy hisy intsony izay fizarana kara-pifidianana izay. Ny fanomezana taratasy ho solon’ny karatra hahafahan’ireo feno taona mifidy no hoataon’ny Fokontany ho izy mba tsy hahavery zo azy ireny. Manontany tena indray araka izany ny olom-pirenena ny amin’ny fitadiavana fotoana hakana io taratasy io. Vao mangiran-dratsy mantsy dia tsy maintsy miala ny tokonam-barabaravana ny ankamaroan’ny Malagasy isan’andro mitady izay hoaparaka noho ny halalin’ny fahasahiranana mahazo ny isan-tokantrano ankehitriny.
Pati
Legende : Ireo izay nahazo kara-pifidianana tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena ihany no afaka mandray anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT