Fifidianana Solombavambahoaka

> Vonona Randrianantenaina José


  • Alakamisy 07 Novambra 2013

Anisan’ireo hifaninana amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka amin’ny 20 Desambra ho avy io Randrianantenaina José, izay efa solombavambahoaka tao amin’ny Distrikan’Antsirabe faharoa iny ihany.

Raha ny fifidianana fihodinana faharoa lasa iny no tombanana tany amin’ity Distrika misy azy ity dia tsy nandaitra tamin’ireo vahoaka ny fanatobahana vola sy fanomezana raha ny vokatra no jerena. Sahin’ireo mponina no nilaza fa «fanomezana ka dia raisina fa ny safidy efa mazava», hoy izy. Na izany aza dia nambarany fa tototry ny fanontaniana avy any amin’ny vahoaka ny tenany amin’ny fomba fiasan’ny CENI-T, izay toa mampiahiahy ireo tantsaha izany. Nolazainy ihany koa niaraka tamina porofo maro fa betsaka loatra ny kitoatoa hita nandritra ny fandrafetana ny lisi-pifidiananan satria mponina maromaro tao amin’ny biraom-pifidianana iray tao Ambano dia nifindra lisitra any amin’ny fokontany Manampisoa, izay toerana mielanelana ho 5 km. Na izany aza dia nambarany fa efa vonona amin’ny fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka ny tenany ary mbola hanohana hatrany ny kandidà Robinson Jean Louis amin’io fotoana io ihany. «Tsy manam-pahavalo ny tenako», hoy izy ary misokatra amin’ireo rehetra te hiaraka hiasa amiko, ary tsy manana olona amin’ireo samy kandidà fa dia atao adin’ombalahin’ny mpianakavy izany, no sady ho fifaninanana masina aminy.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT