Fifidianana solombavambahoaka

> Vonona Ramanandraibe Salomon


  • Alarobia 20 Novambra 2013

Hafana ny hazakazaka fiadian-toerana ao amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ity ho an’ny Distrikan’Amparafaravola.

Miisa 24 ireo kandida hifaninana amin’ny fifidianana solombavambahoaka any an-toerana amin’ny 20 desambra izao, ary samy tsy mikosomaso avokoa hiady ireo toerana roa anjaran’Amparafaravola. Iray amin’ireny Ramanandraibe Salomon, natolotry ny ADR (Association Didier Ratsiraka), sady mpanangana ity fikambanana ity tany Alaotra Mangoro herintaona lasa izay. Olona efa zatra mifanerasera amin’ny vahoaka Ramanandraibe Salomon, izy rahateo diso fantatra loatra eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana. Manana sekoly izy ary nanangana lisea tsy miankina voalohany tao Tanambe tamin’ny 2005, tao aorinany vao nisy ny liseam-panjakana. Nitatra tamin’ny fanofanana momba ny fanamoriana fiarakodiana ny asany, izay ahazoana fahazoan-dalana hitondra Kubota izay be mpampiasa any an-toerana ary manampy ny vahoaka eo amin’ny fifamoivoizana. Izay fanampiana ny hafa izay rahateo no naharesy lahatra azy hirotsaka ho kandida  depiote.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT