Fifidianana solombavambahoaka

> Misy mpanao gazety roa nirotsaka hofidina ao Amoron’i Mania


  • Alatsinainy 16 Desambra 2013

Efa mirotsaka an-tsehatra amin’ny fandraisana an-tanana ny raharaham-pirenena fa tsy mionona fotsiny amin’ny maha mpanabe vahoaka azy ireo mpanao gazety ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania.

Tamin’ity fifidianana solombavambahoaka hotanterahina amin’ny 20 desambra izao ity dia misy mpanao gazety roa mirotsaka amin’izany mba hotsarain’ny vahoaka. Nirotsaka hifaninana ao Ambositra i Andriatahinanomenjanahary Félicien Simon de l’Enfant Jesus na Fandrava, natolotry ny fikambanana ALEFA Madagasikara «Herizo», mpanao gazetin’ny Radio Feon’i Mania ao Ambositra, laharana faha-16. Mpanao gazety faharoa nirotsaka ao amin’ny Distrikan’Ambatofinandrahana i Jesy Rabelaolao, miasa ao amin’ny gazety an-tsoratra iray eto an-drenivohitra ny lehilahy saingy zanak’Ambatofinandrahana, ny antoko Arema no nanolotra azy.

 

 

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT