Fifidianana solombavambahoaka

> Ho samy hafa ny fomba hahalany azy ireo


  • Alarobia 27 Novambra 2013

Miisa 151 ireo solombavambahoaka handrafitra ny Antenimieram-pirenena malagasy vaovao aorian’ireo fifidianana hivoahana amin’ny krizy, araka ny didim-pitondrana laharana 2013-083 nivoaka tamin’ny 13 febroary 2013.

Ireo Distrika ahitana mponina mihoatra ny 250.000 dia hanana solombavambahoaka roa hisolotena azy ireo ary iray kosa ny an’ny Distrika ahitana mponina latsak’izay. Arak’io didim-pitondrana io ihany koa ary mifanaraka amin’ny andininy faha-2 amin’ny lalàna 2012-016 tamin’ny 01 aogositra 2012 dia ho samy hafa ny fomba fampandaniana ireo solombavambahoaka hofidiana isaky ny Distrika. Ho an’ireo Distrika miady seza tokana dia izay kandida mahazo vato betsaka indrindra no lany ao amin’ireo toerana ireo. Ho an’ireo Distrika manana toerana roa hiadiana kosa dia ireo kandida manana salanisam-bato ambony mihoatra amin’ny isan’ny vato manan-kery no ho lany. Raha ny isan’ny lisitr’ireo mpifaninana amin’ny fifidianana solombavambahoaka ofisialy navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita dia 2.036. Ny 1.215 amin’ireo kandida ireo dia natolotr’ireo antsoina hoe antoko politika lehibe, ny 486 dia kandida avy amin’ireo antoko politika vao niforona ary miisa 335 kosa ireo kandida mpirotsaka mahaleotena. 32 no isan’ireo Distrika hanana solontena 2 ary 87 kosa ireo Distrika hanana depiote iray avy. Tsara ihany ny mampahatsiahy fa miaraka hotontosaina ny zoma 20 desambra 2013 ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ny fifidianana solombavambahoaka. Miaraka torak’izay ihany koa ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra izay haharitra 21 andro.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT