Politique

Fifidianana senatorialy teto an-drenivohitra Nampanontany tena ny maro ny vokatra


  • Alarobia 30 Desambra 2015

Tontosa tamin’ny an-tsakany sy an-davany toy ny tany amin’ireo distrika maro manerana an’i Madagasikara ny fandatsaham-bato nataon’ireo mpifidy vaventy teto amin’ny distrika 6 ao anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra notanterahina tetsy amin’ny birao tokany tetsy amin’ny Lisea Maoderna Ampefiloha.

 

 Nanomboka tamin’ny 6 ora maraina no nivoha ny birao ary tamin’ny 5 ora hariva no nikatona ka nanomboka avy hatrany ny fanisam-bato. 53 tamin’ireo mpifidy vaventy 56 voasoratra anarana no tonga nifidy, izany hoe 94,67 %. Ny iray moa efa nodimandry fa ny roa no tsy fantatra ny antony. Tamin’ny 1 ora antoandro dia efa nahatratra 66,07 % ny taham-pavitrihana. Lisitra kandidà 9 no nisafidianan’ireo mpifidy tonga tamin’ny ankapobeny ka nahazo ny vato be indrindra izay nahatratra 27 ny lisitra TIM manana mpifidy 32. Faharoa ny lisitra MARINA (Fifanohanan’ny Pnj sy ny depiote Papa Solo avy any Faratsiho) nahazo vato 14 na dia tsy manana mpanolotsaina ao amin’ny kaominina CUA aza. Fahatelo kosa ny lisitra HVM tsy nanana mpanolotsaina koa na iray aza nahazo vato 6 ary fahefatra ny lisitra Mapar nahazo vato 3. Tsy nisy nitoko kosa ny lisitra Malagasy Miara Miainga, ny lisitra Ny Mangarano Malaza, ny lisitra Arema sy ny lisitra Malagasy Sambatra. Mpifidy iray kosa no nanao vatofotsy teto an-drenivohitra. Azo ambara fa miova tanteraka ny tontolon’ny fanaovana politika eto amintsika raha tarafina tamin’io vokatra azo teto Antananarivo Renivohitra io. Nilaozana lavitra ny fanajana ny fotokevitra ijoroan’ny antoko sy ny “consigne de vote” azo.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT