Araka ny efa nanampoizana azy dia nanao izay fomba rehetra nandrombahana ny fandresena ny antokon’ny fitondrana.
Andro vitsivitsy talohan’ny fifidianana dia am-polony ireo ben’ny tanàna noesorina tamin’ny alalan’ny filankevi-panjakana ka ndeha atao hoe ny fifanandrifian-javatra tamin’izany no nampahazo vahana ny antoko Hery vaovaon’i Madagasikara. Nandritra ny fotoam-pifidianana omaly ihany koa dia maro ireo minisitra no re fa nandraby vola ireo mpifidy lehibe na teto an-drenivohitra na tany amin’ny faritany toy ny tany Ihosy Ampandratokana sy ny tao Antsohihy tany anaty hotely tany. Ny teto an-drenivohitra moa dia tranom-panjakana iray no nanatobiana ireo mpifidy lehibe alohan’ny nitaterana azy ireo tany amin’ny birao fandatsaham-bato. Ambonin’izay sy manginy fotsiny ny fampihorohoroana ireo mpifidy lehibe raha toa ka tsy mifidy izay loko mahazo. Manana hatramin’ny 30 andro moa ny komity manokana misahana ny fifidianana ka andrasana izay mety ho fihetsiky ny valala tsy mandady harona eo am-pandraisana ny vokatra vonjimaika na dia efa tsinjo aza izany vokatra izany.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.