Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fifidianana senatorialy tamin’ireo fari-pifidianana notsidihan’ny solontenan’ny Kmf/Cnoe teto amin’ny faritra Analamanga
. Nandeha ara-dalàna ny fandatsahambato notanterahan’ireo mpanolotsaina sy ben’ny tanàna. Nisy rahateo tamin’ireo tompon’andraikitra avy amin’ireo kaominina sasantsasany no nahatontosa ny adidin’izy ireo mialoha ny mitataovovonana toy ireo mpitantana tao Ambohijanaka, Soalandy, Ampahitrosy na koa Andoharanofotsy ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo olom-boafidy ifotony nisafidy ny handatsa-bato taorian’ny 12 ora antoandro. Tsikaritra ihany anefa ny tsy fahatomombanana madinidinika teo amin’ny lafiny fampitaovana tahaka ny tsy fisian’ny trano fisainana teny amin’ny lycée Andoharanofotsy. Nandray andraikitra nitady vahaolana avy hatrany anefa ireo mpikambana tao amin’ny birao fandatsahambato vitsivitsy teny an-toerana. Hanao tatitra mikasika fizotran’iny fifidianana loholona notanterahana omaly iny moa ny Kmf/Cnoe anio, hoy ny sekretera jeneraly nasionaly Raharisoamalala Patricia.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.