Tafatsangana eny anivon’ny Atenimieram-pirenena ankehitriny ny « Comité ad’hoc » handrindra ny firesahana amin’ny minisiteran’ny atitany sy ny Ceni amin’ny resaka fomba hanatanterahana ny fifidianana senatorialy izay tsy tanteraka tamin’ny talata teo.
Mbola misy hantenaina ve ny fiovan-kevitr’ireto rafitra ireto mikasika ny hevitra nentiny ? Mamaly ny fanontaniana ny depiote Randriamahefa Henri Charles avy any Moramanga. « Raha ny fahafantarako azy aloha ny olona rehetra izao dia manome tsiny ny Ceni satria tsy mazava mihitsy ny politikan-dry zareo ireo. Ny nametrahanay solombavambahoaka administratera sivily hisolotena anay ao izao dia satria fantatray fa ny tsy azo rebirebena izy ary tena mahay lalàna ary manana traikefa amin’ny resaka fifidianana fa ity nataon-dry zareo ity tena tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy mihitsy io. Ny fanjakana milaza ho tsy manam-bola nefa mbola tadiavina hatao isaky ny kaominina indray ny fifidianan’ny « Grands électeurs » ny senatera. Tena fandaniam-bola izany amiko fa isaky ny distrika dia tena mety. Any Moramanga izao, ohatra, dia misy kaominina 23. Raha hasiana birao fandatsahambato daholo ireo dia tsy maintsy hanakaramana mpitantana birao tsirairay avy nefa mety ho antsasakadiny monja dia vita ny fifidianana amin’ireny satria olona vitsy (5na 8 na manodidina ny 9 eo an-tampon-tanàna). Ka heveriko fa adidy sy andraikitray ny mampahatsiahy an-dry zareo ny tokony hatao fa « urne » iray ihany dia ampy hanatanterahana izany. Tena manankorontana ity ataon-dry zareo ity ka izay ve no ilaina ?”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.