Politique

Fifidianana senatera ao Mahajanga Vonona hitondra ny hetahetam-bahoaka i Hajaky Alain Richard


  • Talata 08 Desambra 2015

Hisokatra amim-pomba ofisialy anio talata 8 desambra ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana senatera, hotanterahina ny 28 desambra ho avy io.

Ho an’ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga manokana dia anisan’ny manatevin-daharana amin’izany i Hajaky Alain Richard izay efa kandida Ben’ny tanàna farany teo saingy tsy lany ary voafidy ho lasa mpanolotsain’ny tanàna. Vonona ny tenany  haka io toerana senatera io  ka hametraka lalàna azo tanterahina. Toraka izany koa ny fampivoarana ny  fiainam-bahoaka amin’ny alalan’ireo lalana azo tanterahina saingy tsy nisy fampiharana hatramin’izay. Vonona ihany koa i Hajaky Alain Richard  hiady amin’ny kolikoly  efa nimatimatesan’ny antoko AREMA hatramin’izay no sady hiantso ny governemanta hanatanteraka  ireo lalana tokony hampiharina rehefa tonga amin’io toerana io. Nomarihiny manokana moa fa ny antoko AREMA no nanana ny résolution des nations unies tamin’ny taona 1997. Izy irery ihany koa no nanana  ilay tetikasa namatsy vola 2 miliara isaky ny kaominina isan-taona  izay tsy nivoaka avy tamin’ny kitapom-bolam-panjakana fa vola avy amin’ny filoha Ratsiraka Didier. Fanirian’ity kandida senatera ity moa ny ho lasa  filohan’ny Antenimierandoholona mihitsy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT