Politique

Fifidianana senatera 2015 Mitaky olo-marina hampandroso an’i Madagasikara


  • Alakamisy 19 Novambra 2015

“Maro olomanga i Madagasikara fa vitsy olo-marina”, hoy ny Ben’ny tanŕna Rakotoarisoa Johnny.

 

 Mazava anefa ny fomba fijerin’ity mpitantana ny Kaominina ambanivohitr’i Mahereza ity manoloana ny fifidianana senatorialy hotanterahana ny 29 desambra 2015 izao. Aminy dia adidy masina sy goavana mitambesatra amin’ireo mpifidy vaventy ahitana ireo mpanolotsaina sy Ben’ny tanàna manerana ny Nosy ny fahaizana mifantina ireo kandida mendrika amin’izany toeran’ny Loholona eto amin’ny firenena izany. Misongadina hatrany ny antoko politika teo amin’ny fifidianana rehetra notanterahana teto amintsika, hoy ity olom-boafidy eny ifotony ity. Rehefa jerena anefa ny zava-misy dia mitovy avokoa izy rehetra satria samy nandiso fanantenana ny vahoaka. Tsy mahagaga raha leo antoko politika ny fiarahamonina Malagasy ka miantsampy any amin’ny tsy miankina izay voamarina tamin’ny fifidianana kaominaly farany teo. Vahaolana avy amin’ny Ben’ny tanànan’i Mahereza moa ny fahaizan’ireo tompon’andraikitra mpitantana kaominina mijery sy mifidy ilay olo-marina tsara, resy lahatra ary vonona ny hampandroso an’i Madagasikara ao anatin’ireo olomanga.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT