Politique

Fifidianana sefo fokontany Tsy misy resaka hatramin’izao


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Tsy mbola misy resaka hatramin’ny anio ny resaka mikasika ny fifidianana sefo fokontany.

 

 Nambaran’ny teo anivon’ny fokontany Fiadanana III L, fa ny taratasy mombamomba ny sefo fokontany na cv ihany no naterina tany amin’ny distrika dia tsy nisy tohiny izany. Siosion-dresaka nataon’olona koa no mba nahenoin’ny fokontany io fifidianana io, fa hatreto dia tsy mbola misy resaka izany ny momba izany. Mikasika ny tsy fandriampahalemana indray, dia mirongatra ny vaky trano ao amin’io fokontany io, indrindra fa ao amin’ny “parking”, ka nahaverezana globe-ny jiro sy moto. Tranona polisy iray koa no nisy nanafika, fa efa voasambotra ny iray tamin’ireo mpanafika. Fanafihana telo samy hafa koa no niseho tao anatin’ny iray volana. Miara miasa amin’ny polisin’ny Boriborintany faha dimy ny fokontany. Misy ireo mpitandro ny filaminana manao fisafoana, fa tokony hiditra any amin’ny elakelan-trano izy ireo. Tokony hitandrina ihany koa  ny tsirairay, ka vantany vao misy tranga hafahafa dia mampaneno kiririoka avy hatrany. Ho an’ny fokontany Ankaditoho  Marohoho nanaovana ny fanadihadiana koa dia mbola tsy nahazo tatitra mikasika ny fifidianana sefo fokontany koa ny sefom-pokontany. Mikasika ny tsy fandriampahalemana indray, dia ny halabotry no mahazo vahana ao amin’ny fokontany. Marihana, fa misy ny andrimasom-pokonolona amin’ireo fokontany roa ireo ary misy amin’ireo no miray tendro amin’ny mpangalatra, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Sitraka r.        

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT