Fifidianana ny 20 desambra 2013

> Mila solombavambahoaka maro an’isa ilay filoham-pirenena lany


  • Alakamisy 19 Desambra 2013

Tonga amin’ny kihon-dalana farany hivoahana amin’ny krizy lavareny namotika ny firenena tao anatin’ny efa-taona mahery ny vahoaka Malagasy ankehitriny.

Rehefa samy niezaka nampihatra ny fomba fijeriny hitantana an’i Madagasikara nandritra ny tetezamita ireo ankolafy politika sy hery velona misy eto amin’ny firenena, dia anjaran’ny vahoaka amin’izay izao no maneho ny tena heviny amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato. Fotoana iray io 20 desambra 2013 io hametrahana izay mpitondra heverin’ny olom-pirenena isanisany fa hanatanteraka ny hetahetany. Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy manana solombavam-bahoaka maro an’isa mitovy fomba fijery aminy ny filohan’ny Repoblika Malagasy vaovao hitantana ny firenena. Ho an’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, ohatra, dia misy fepetra telo takiana amin’ny olom-pirenena farafaharatsiny mba hisian’ny filaminana sy ny tena fampihavanam-pirenena eto Madagasikara. Mila mandeha mandrotsa-bato ireo rehetra manan-jo amin’izany, mila mahay misafidy tsara amin’ireo kandida mpifaninana ary mila elanelana betsaka ireo salan’isam-bato mampisaraka ireo kandida mpifaninana. Fantatra rahateo fa ao anatin’ny fotoam-pahavaratra isika izao manatanteraka ny fifidianana izao ka mila finiavana ny tena fitiavan-tanindrazana ary tokony hoporofoina amin’ny fihetsika izany.

 

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT