Politique

Fifidianana Niova hevitra indray ny HAT ?


  • Zoma 26 Febroary 2010

Tsy voaresaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra notarihan’i Andry Rajoelina ny alarobia lasa teo ny mikasika ny fifidianana solombavambahoaka izay kasain’ny HAT hotanterahana any amin’ny tapaky ny volana mey.

Araka ny resaka mandeha dia toa hoe mety tsy ho ny fifidianana solombavambahoaka io indray no hotanterahana mialoha fa fitsapan-kevi-bahoaka. Tsy mbola mazava tsara kosa anefa hoe mikasika ny fanovana ny lalàmpanorenana ve,  sa momba ny fampiharana ny satan’i Maputo izany. Araka izay tsiliantsofina izay dia toa hoe manomboka resy lahatra tsikelikely ny amin’ny tsy mahamety ny hanaovana mialoha ny fifidianana solombavambahoaka ny ao amin’ny fitondrana tetezamita, taorian’ireo fanakianana maro samihafa tetsy sy teroa, na teto an-toerana izany na avy any ivelany. Araka ny hevitry ny besinimaro dia tsy misy maharatsy ny hanaovana fifidianana mihitsy, fa mba tokony hanaraka ny lôjika, izany hoe ao anatin’ny tetezamita isika ankehitriny, hiampitana any amin’ny repoblika faha-4, ka rariny loatra raha ny fanovana ny lalàmpanorenana aloha no alefa mialoha ny zavatra rehetra. Noho ny filazana fa tolom-bahoaka nitakiana ny fanovana no nisy teto tamin’ny 2009, dia tokony ho ny vahoaka izany no hisafidy amin’ny alalan’ny fifidianana mivantana izay volavolan-dalàmpanorenana mety hatolotra eo fa tsy hoe ny solombavambahoaka indray no handany mangingina ny lalàmpanorenana eny Tsimbazaza eny. Maro no mahita fa hikorontana ary tsy hilamina mihitsy ny Repoblika faha-4 mijoro eo raha atao maimaika eny amin’ilay Antenimieram-panorenana araka ny filazan’ny HAT azy ny fandaniana ilay lalàmpanorenana satria tsy maintsy ho maro ny fanakianana ary mety hahery vaika kokoa noho ny efa misy amin’izao indray ny fitakiana sy fitokonana isan-tokony manerana ny nosy. Araka ny resaka mandeha ihany dia tsy nitsahatra ny nifampiresaka tamin’ireo mpanolotsaina azy (Malagasy sy Frantsay) i Andry Rajoelina tato anatin’ny iray volana teo ho eo izay, sy ny fihaonany tamin’ny mpanao politika sy mpitarika fikambanana maro ka nivoitra avy tamin’izany rehetra izany ny tokony hitandremany tsara amin’izay fanapahan-keviny, ary tsy tokony hampitombo ny fahadisoam-pamindra tahaka ny nisy hatrizay intsony izy, ary hijery ny marimaritra iraisana amin’ireo ankolafy hafa na dia tsy hifampizara toerana aminy aza. Dia samy miandry izay ho fidonany indray ny rehetra, efa maromaro ihany mantsy izay fandaharam-potoana sy drafitra napetraky ny HAT izay, saingy tsy nisy tanteraka mihitsy izy ireny, fa miova tampoka eny an-tenantenan-dalana eny foana.
 

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT