Fifidianana monisipaly sy kaominaly

Hatao amin’ny novambra, tara herintaona latsaka kely


  • Alakamisy 20 Jona 2024

Efa manomboka fantatra ireo andinindininy sy pitsopitsony mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna,

na mbola tsy tena milamina tanteraka aza ny fifidianana depiote, izay miandry ny didy farany avy amin’ny HCC. Raha tsy misy ny fiovana, ny 06 novambra 2024 no hatao ny fifidianana ireo ben’ny tanàna izay tsara ny manamarika, fa efa tapitra tanteraka ny 10 janoary teo ny fe-potoam-piasana, saingy namoaka ny HCC ny 25 janoary taorian’ny fangatahana ny heviny nataon’ny governemanta, fa afaka manohy ny asany ireo olom-boafidy eny amin’ny kaominina mandra-pisian’ny olom-boafidy vaovao. Azo lazaina ho tara herintaona latsaka kely eo izany ny fifidianana ben’ny tanàna. Amin’ny 6 novambra izany vao handeha ny fifidianana any amin’ireo kaominina 1695 eo, ka ny 08 jolay-22 jolay 2024 ny fametrahana ny antontan-taratasy. Ny 10 oktobra hatramin’ny 04 novambra ny fampielezan-kevitra. Araka ny lalàna 2014-020 tamin’ny 20 aogositra 2014, ny kaominina an-drenivohitra dia miisa 9 ny mpanolontsaina monisipaly ho an’ny kaominina manana mponina latsaky ny 5000 ; 11 ho an’ny 5001 hatramin’ny 8000 ; 13 ho an’ny 8001 hatramin’ny 120 000 ; 15 ho an’ny 120 001 hatramin’ny 250 000 ; 19 ho an’ny manana mpanolontsaina mihoatra ny 250 001. Ho an’ny kaominina ambanivohitra kosa, dia 5 ny mpanolontsaina ho an’ny kaominina latsaky ny 10 000 ny mponina, ary 7 raha maherin’io. Miisa 13 eo ireo taratasy mila omanin’ny kandida izay saika mitovitovy amin’ny tamin’ny fifidianana depiote, fa tafiditra ao anatin’ireo takiana ny dika mitovin’ny karatry ny mpifidy na fanamarinana avy amin’ny CENI, fanambarana ara-pahitsiana na ara-pahamendrehana (déclaration de probité),…Tsara ny manamarika, fa efa nankatoavina ihany koa ny lalàna mampitombo ho 5 taona ny fe-potoana iasan’ny ben’ny tanàna sy ny mpanolontsaina, ka hihatra amin’ireo olom-boafidy ho voafidy manaraka eo io mazava ho azy.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT