Politique

Fifidianana mbola feno baraingo Fa inona marina no tena tanjon’ity fitondrana ity ?


  • Alakamisy 16 Martsa 2023

Miha mandroso ny fotoana, ary raha ho raikitra amin’ny vinan’ny tetiandrom-pifidianana Filoham-pirenena nataon’ny CENI, dia efa 8 volana latsaka sisa dia higadona ny 9 novambra hanaovana ny fihodinana faharoa,

ary ny 6 volana latsaka sisa dia hiala ny Filoha am-perin’asa raha toa ka kandida, raha ny voasoritry ny andiny faha-46 amin’ny lalàmpanorenana. Ny 09 febroary no namoaka tolo-kevitra ny CENI, herinandro taorian’io dia nilaza ny HCC fa azo atao sy tsy mifanohitra amin’ny lalàmpanorenana, tsy mbola namoaka didim-panjakana kosa ny governemanta. Ny nambaran’ny Praiminisitra dia tsy maintsy hisy ny fifidianana, ary ilay fe-potoana misy fihenana 10 andro amin’ny fe-potoana iasan’ny Filoha ankehitriny raha atao 09 novambra ny fifidianana no olan’izy ireo. Hatreto izany, mbola mijanona ho ny governemanta samirery no mahalala izay mety ho fotoana mazava hanaovana ny fifidianana raha ho laviny ilay soso-kevitra. Toa sady mamoaka no mampiditra ihany koa ny Fitondrana raha raisina amin’ny nambaran’ny Minisitry ny serasera sy kolontsaina tamin’ilay adihevitra nandraisany anjara ny 28 febroary tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra. Nambarany, fa tsy te hikitika amin’ny resaka fanovana lalàna mikasika ny fifidianana ny Fanjakana sao holazaina fa tefena hifanaraka aminy ny lalàm-pifidianana. Isan’ny adihevitra ny resaka famerana ny vola ampiasaina amin’ny fifidianana, saingy rehefa dinihina dia tsy miombon-kevitra amin’izany ny mpitondra,… Etsy andaniny anefa, ity Fanjakana ity ihany koa no nanasosoka sy nampanantena fa afaka hifidy ireo Malagasy mpila ravinahitra any ivelany na Diaspora amin’ity taona 2023 ity. Fa angaha izany tsy mila fikitihana lalàm-pifidianana? Toa misy ihany ny fifanoheran-kevitra ihany. Toa tsy vonona sy tsy rototra amin’ny resaka dinika politika hametrahana kianja politika milamina mialohan’ny fifidianana anefa ny mpitondra. Sa alefa amin’izao any dia izay hipoahany eo hirehetany? Ny gafigafy samihafa ho an’ireo mpifaninana politika mbola zavatra hafa. Tsy nijanonana amin-dRavalomanana sy ny TIM ihany, fa efa miitatra amin’ny hafa, ka anisan’izany I Siteny Randrianasoloniako sy ny ekipany, raha tarafina amin’ireny fandrarana ny famoriam-bahoaka nifandraika tamin’ny 8 martsa sy tatitry ny depiote ireny. Efa misy feo mivoaka aza, fa mety hatramin’ny mpandraharaha tompon’ny angidimby ampiasaina amin’ny fitetezam-paritra no mahazo fandrahonana hiala eto, na mety hosokajiana ho olon-doza ho an’ny firenena na “persona non grata” mba ahafahana mandroaka azy,… Tena vonona ny hiroso amin’ny fifidianana sa manao izay hitroaran’ny hafa mba hisian’ny sakoroka amin’izay mihemotra ny fifidianana . Iza moa no mahazo tombotsoa amin’izany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT