Politique

Fifidianana mbola be baraingo Tena handrefotra krizy be raha tsy voalamina


  • Talata 14 Febroary 2023

Iny efa navoakan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na CENI iny ny tolo-kevitra momba ny datim-pifidianana filoham-pirenena 2023.

Ny 09 novambra no heverina hanaovana ny fihodinana voalohany, ary ny 20 desambra kosa ny fihodinana faharoa. Any amin’ny governemanta sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) izany ny baolina momba io datim-pifidianana io. Mbola baraingo ny ara-bola na ekena aza fa misy ny sora-bola 45 miliara Ar ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Adihevitra mbola tsy vita ny resaka fitakiana fanovana ny rafitra ara-pifidianana sy ny fanadiovana ny kianja politika hilalaovana, ny lalàm-pifidianana, famerana ny vola ampiasaina amin’ny propagandy,… saingy na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy handeha ny fifidianana. Hatreto, tsy azo antoka hamaha ny krizy eto amin’ny firenena fa vao mainka handrefotra krizy ny fifidianana filoha raha tsy alamina ny olana politika samihafa. Ny fifidianana filoha io mbola manjavozavo io, fa mbola baraingo tanteraka ihany koa ny momba ireo fifidianana hafa, kanefa ho tapitra ny janoary 2024, ohatra, ny fe-potoana iasan’ny ben’ny tanàna. Na ny tamin’ireo kaominina miisa 26 namoahana didy fa haverina aza tsy tanteraka intsony mandrak’ity ny androany. , “Ny tena omanintsika amin’izao fotoana izao dia ny fifidianana Filoham-pirenena satria iny no akaiky”, hoy ny Minisitry ny atitany ny 30 novambra 2022, nandritra ny tatitra nataon’ny CENI momba ny lisi-pifidianana tamin’izany fotoana, ka toa tsy hitan’ny karatra mihitsy izany aloha ny mikasika ireo fifidianana hafa. Mbola baraingo ihany koa mazava ho azyy ny fifidianana depiote, izay tena misy lanjany be ara-politika. Raha tsy I Andry Rajoelina no ho Filoham-pirenena manaraka, dia olana be indray ihany koa ny fanendrena Praiminisitra eo anatrehan’ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana izay milaza fa ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena no manolotra anarana hotendren’ny Filoham-pirenena. Ahiana indray ny krizin’andrim-panjakana, raha tsy alamina ny zava-drehetra. Sa efa azo antoka fa I Andry Rajoelina no ho lany? Ara-politika, mandeha ny kajikajy sy pimaso amin’ireo ben’ny tanàna am-perin’asa, tahaka io fizarana moto ataon’ny Filoha am-perin’asa io, izay ambara fa hahafan’ireo ben’ny tanàna manatanteraka ny asany an-tsakany sy an-davany, kanefa ahiana hiandrasana tambiny ara-pifidianana. Raha ny fifidianana Filoha no mandeha aloha, dia mazava indray ny politikan’ny ratsy tarehy mangata-bady, ka ny anaran-dRay no enti-mangataka, hampiasa ny anaran’ny Filoha sy ny antokony ary ny fahefam-panjakana hahazoana tombondahiny ara-pifidianana,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT