Politique

Fifidianana Mampitandrina ny Amerikanina


  • Zoma 16 Desambra 2022

Filoham-pirenena Afrikanina miisa 6 izay mitantana firenena hiatrika fifidianana amin’io taona no ho avy io no isan’ny noraisin’ny Filoha Amerikanina Joe Biden tao amin’ny Maison Blanche ny alarobia 14 desambra 2022 lasa teo.

Anisan’ireny ny Ali Bongo Odimba Filohan’I Gabon, Félix Tshisekedi, Filohan’I RD Congo, George Weah Filohan’I Liberia, Muhammadu Buhari Filohan’ny Nigéria, Maada Bio Filohan’I Sierra-Leonne, ary toy izany ihany koa ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Teo ny fihaonana Etazonia-Afrika, ny resaka fiaraha-miasa ara-diplaomatika, toekarena,… fa nisy ihany koa ny fifampiresahana momba ny fifidianana, izay nanaovan’ny Amerikanina isan’ny tena mahasarotiny ny Amerikanina. Hiatrika fifidianana ireo firenena ireo amin’ny taona ho avy, ary miandry fatratra sy mitaky fifidianana “malalalaka, marina, ary azo itokisana” ny Amerikanina. Efa ny 12 desambra teo no nanao karazana fampitandremana ny eo anivon’ny Mpanolontsaina momba ny filaminana nasionalin’i Etazonia Jake Sullivan, izay nanipika sy nampaneno lakokolosy fa misy ny ahiahian’izy ireo ary misy ihany koa ny vahaolana. Mijery akaiky sy manara-maso ny fifidianana sy ny toe-draharaha aty Afrika mazava ho azy ny Bekintana, ary matoa mampitandrina sy maneho ahiahy, dia mahita sy mahatsikaritra zavatra. Isan’ny taratr’izany io ahiahy ara-pifidianana goavana eto amintsika izay ahiana hiteraka korontana raha tsy voalamina io. Mety hoe: manga lanitra, milamina ny fiaraha-miasa, atokisana ny filoham-pirenena,… araka ny sary sy serasera aparitaky ny mpitondra Malagasy, fa etsy ankilany mety mandeha ny fampitandremana mivantana na ankolaka. Vao miresaka fifandraisan’I Madagasikara sy Etazonia izay mifandray amin’ny tontolo jeopolitika dia tsara hatrany ny mampahatsiahy, fa izy ireo sy ny Tandrefana no lohalaharana amin’ny fanoherana an’I Rosia, raha toa ka nihazohazo ho tsy mitanila ny Fanjakana Rajoelina. Nisy ilay safidy izay nanameloka an’I Rosia izay voalaza fa nataon’ny Minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha Atoa Richard Randriamandranto. Na nesorina aza io Minisitra io, dia marihina fa ny Amerikanina no nanao fanambarana voalohany nilaza fa midera sy mankasitraka ny safidin’I Madagasikara nanameloka ny Rosianina, izay misy dikany lehibe ara-diplaomatika. Raha nandeha ihany koa ny raharaha fanenjehana sy fitoriana ny mpitarika ny Transparency International eto izay olona akaiky ny fitondrana no voatonontonona ho isan’ny debabe ao ambadiky ny fitoriana, dia ny Amerikanina no nijoro sy nanao fanambarana voalohany fa manohana ny ady amin’ny kolikoly ary manameloka ny fanohintohinana izany. Ny isan’ny mety ahafahana mitaratra fa manomboka feno ny fitokisana dia ny fiverenan’ny tsenan’ny AGOA antsakany sy andavany ka asa hoe: aiza ho aiza ny momba an’io ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT