Fifidianana mampiahiahy

Mitsikafona tsikeliky ireo tsy fanjariana


  • Talata 21 Novambra 2023

Manamafy ny ahiahin’ny Firaisankinan’ny kandida sy ny vahoaka izay nisafidy tsy hifidy ny zava-miseho

taorian’ny fifidianana. Betsaka ny endri-javatra tsy dia mandeha amin’ny laoniny, mitombo ireo tranga manamafy ny ahiahy fa tsy madio ny fifidianana satria nisy hatramin’ny fanasisihana bileta anaty vata na « bourrage d’urne » raha ny horonan-tsary niparitaka, saingy tsy nisy fanazavana na fandisoana ofisialy hatreto. Eo amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana ao anatin’ny famoahana ny ambara fa fironana ankampobeny vonjimaika, dia toa teren-ko masaka hifanaraka amin’ny tanjona tiana hahatongavana araka ny ahiahin’ny kandida sy ny olom-pirenena? Misy antontan’isa tsy mazava, ny vokatra azon’ny kandida misavoritaka,… Iny no fifidianana voasokajy ho ratsy indrindra, nandresy ny maro an’isa tao anatin’ny tsy fandraisana anjara noho ny fahatsapana fifidianana maloto, tsy eken’ny rehetra,… Ahiana mafy anefa ny mety ho fanabontsinana ny taham-pandraisana anjara dia ambany saingy ezahina hakarina any ambonin’ny 40%, raha ny ahiahy maro samihafa mivoaka, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra. Ny taona 2018, saika filaharana ny tany amin’ny birao fandatsaham-bato tamin’ny ankampobeny, saingy 48% ny taham-pandraisana, ary ny tamin’ity saika babangoana sy nisy natory am-pitoerana aza ny tao amin’ny birao, kanefa tsikaritra ho tsy arakarak’izany ny ambara fa fahavitrihana, hoy ny fanamarihana. Mitombo ny ahiahy, miha miseho ny porofo toa manamafy ny kolikolim-pifidianana hita amin’ny filaharam-be mitaky vola ho sandan’ny latsa-bato tahaka ny hita teny Ambohimangakely, Ambohitrarahaba, Mahajanga, Toamasina,… Mitranga ny fandrahonana eo anatrehan’ny mety hisiana hetsi-bahoaka hanoherana io fifidianana tsy ara-drariny sy tsy eken’ny rehetra io,… Ny azo antoka aloha dia tsy ho marin-toerana izay ho Filoha lany eo, izay voalaza fa kendrena ho alohan’ny faran’ny taona ny fianianana. Isan’ny fototry ny olana hatrany am-piandohana ny maha vazaha taratasy ny kandida iray izay nomena tombondahiny ka hiteraka fitoniana sy hanaja ny fiandrianam-pirenena ve izany ? Hampanginina amin’ny basy aman-tafondro ny Malagasy hanaiky vazaha taratasy hitondra azy ? Heverina fa hahomby hatrany ny famoretana miseho amin’ny endriny maro ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT