Fifidianana maloto sy tsy azo antoka

Miharihary hatrany fiandanian’ny fanjakana


  • Alatsinainy 16 Oktobra 2023

Miharihary tahaka ny tafika andrefan-tànana hatrany ny endrika fandikan-dalàna amin’izao ankatoky ny fifidianana

izao, izay manamafy ireo ahiahy samihafa amin’ny tsy fahadiovan’izany. Sesilany ny tsikera momba ny fandokoana ireo mpiasam-panjakana sy ny raharaham-panjakana amin’ny loko politika. Anisan’ireny ny tontolon’ny fampianarana, izay tsy misy tahotra sy henatra mihitsy ny tompon’andraikitra sasany miankanjo ny loko volomboasary misy ny lokona kandida. Lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana roa no isan’ny notsikafonin’ny olona tamin’ny tambajotran-tserasera ny faran’ny herinandro teo ka ny iray tany Toliara, ny iray teto Antananarivo Renivohitra, ary misy Talen’ny sekolim-panjakana iray ihany koa tany Antalaha. Misy ny antsoina hoe : « devoir de réserve » ho an’ny mpiasam-panjakana, ary eo ihany koa ny tsy fiandaniana na « neutralité », ary ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana dia milaza mazava tsara fa iantohan’ny fitondram-panjakana ny tsy fiandaniana ara-politika eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny tafika, ny fitsarana, ny fampianarana,… Io anefa ny sary mitranga, ary tsy vitan’izany fa mandeha ny tsindry maro samihafa amin’ny fanerena ireny mpiasam-panjakana ireny amin’ny fanohanana kandida. Mandeha ny fandrahonana toy ny famindran-toerana, fakana ny fitaovana ampisaina, fa eo ihany koa ny endrika fanambazana samihafa. Ny any amin’ny fampianarana io, fa mitombona sy azo eritreretina ny hisiany any amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana samihafa. Raha manao fampitahana kely anefa dia tsiahivina fa filazana ho fampiasana ny Plaza tamin’ny politika no nezahin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena nanapaka ny fifanarahana maharitra nataon’ny mpandraharaha nanajary azy, izay lasa kandida filoham-pirenena tato aoriana. Ny fampianarana mandoko ao anaty efitrano fiandaniana politika fa ny fandokoana tranom-panjakana amin’ny lokon’antoko, ny mpampianatra salorana akanjona kandida,… fanarahan-dalàna ve ? Fifidianana madio sy milamina ary eken’ny rehetra inona no ho vanona ao anatin’izany?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT