Fifidianana maloto sy tsy azo antoka…

Fanjakana tsy mahomby mahatafiditra ben’ny tanàna 1000


  • Zoma 27 Desambra 2024

Niverina azo tsidihina sy jerena ny tranonkalan’ny CENI taorian’ny fanakatonana azy nanomboka ny 21 desambra lasa teo rehefa nisy valim-pifidianana

roa samihafa mikasika ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ka nilazana fa nisy niditra tao amin’io tranonkala io. Efa fantampatantra avokoa ny mety ho firafitr’ireo ben’ny tanàna manerana ny kaominina 1695 eran’ny Nosy, raha tsy misy ny fiovana. Mibahan-toerana ny IRMAR izay mitarika amin’ny toerana 967 hatreto, ka ao Fianarantsoa avokoa ny 272 amin’ireo. Manaraka eo ny tsy miankina izay mitarika amin’ny 475 hatreto, ka ao Fianarantsoa ihany koa ny 128 amin’izy ireo. Tsy mihoatra ny 100 kosa ny avy amin’ny fanoherana hatreto satria 38 ny avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara, raha toa ka 13 ny an’ny Vovonana Firaisankina, ary 1 kosa ny an’ny Antoko MMM na Malagasy Miara-Miainga. Ho an’ireo vovonana na Antoko hafa, dia nahazo toerana 52 hatreto ny avy amin’ny FIVOI izay tarihin’ny Depiote Rajerison Antoine, ka saika amin’ireo kaominina ambanivohitra ato amin’ny Faritanin’Antananarivo ny ankamaroany. Mitarika amin’ny kaominina 36 ny Antoko ADN na Antoka sy Dinan’ny Nosy tarihin’ny Minisitra teo aloha Edgard Razafindravahy. 16 kosa ny avy amin’ny Antoko Freedom tarihin’ny Minisitra teo aloha Lalatiana Rakotondrazafy. Ny mpividy vaventy dia ny ben’ny tanàna sy ireo mpanolontsaina monisipaly moa no hifidy ireo loholona handrafitra ny Antenimierandoholona aoriana ankoatra ireo ampahany tendren’ny Filoham-pirenena. Raha jerena amin’ireo, dia mitarika amin’ny kaominina maherin’ny 1000 izany ny Antoko sy vovonana miara-dia amin’ny fitondrana Rajoelina. Mampametra-panontaniana hoe : dia tena resy lahatra amin’ny Antokom-panjakana tokoa ve ny ampahany betsaka amin’ny vahoaka Malagasy eo anatrehan’ny tsy fahombiazana miharihary ?
NANJAKAN’NY KAJY MALOTO
Fifidianana manakaiky vahoaka rahateo no natao, ary tena miaina sy mahita ny zava-misy ny ankamaroan’ny Malagasy, fa miha mitotongana hatrany ny toekarena, miharatsy ny fari-piainany, tsy voafehy ny vidim-piainana, politika ny làlana, tsy mandry fahalemana ny tànana,… Dia tena hoe : niha resy lahatra ve ny vahoaka ? Betsaka ny kajy maloto nialoha sy nandritra ary taorian’ny fifidianana. Betsaka ireo fanintsiana sy fanatsarana niniana nanaovana bemarenina eny fa na isan’ny nanao izany aza ny sehatra iraisam-pirenena. Nandeha ny fanaovana fitaovana ny volam-panjakana, fananam-panjakana, fahefam-panjakana, rafi-panjakana,… Isan’ny namoaka ohatra ny mpanao gazety iray an’ny haino aman-jery iraisam-pirenena fa tsy nety nanome taratasy fanamarinana ara-ketra ho an’ny kandidan’ny mpanohitra maro ny Tale Jeneralin’ny hetra. Nanasonia fahazoan-dàlana hiditra anaty lisi-pifidianana na « ordonnance » 35000 ny Lehiben’ny Tribonaly ambaratonga voalohany teto Antananarivo ny oktobra-desambra 2023, ka ho an’Antananarivo III fotsiny ohatra dia nanome alalana ny CENI hampiditra anarana 530. Mbola vao ireo fotsiny dia efa nahavita izany izay voatonona ho nanao sakana mivantana tsy hisian’ny fifidiana malalaka, hoy io mpanao gazety io, izay nilaza fa niezaka niantso ireo tompon’andraikitra fa tsy nahazo valiny mihitsy. Manampy trotraka izany ny ahiahy toy ny hita tamin’ireo valim-pifidianana sasany izay lasa velona ny vato maty sy vato fotsy avy eo natovana tamin’ny vaton’ny kandidam-panjakana,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT