Fifidianana maloto, mpifidy tsy narisika

Tsy afa-miala ny CENI sy ny HCC…


  • Alakamisy 30 Mey 2024

Na azo lazaina ho nizotra tao anatin’ny fitoniana aza ny fifidianana satria tsy nisy ireo trangana korontana tena goavana,

dia nisy tranga mampiahiahy, toy ny teti-dratsy ara-pifidianana, ankoatra ireo tranga niniana nikipiana nialohan’ny tena fifidianana. Toa tsy dia rototra firy tamin’ireny ny CENI sy ny CENI, ka asa hanao ahoana ny tohiny any amin’ny famoahana ny vokatra vonjimaika sy vokatra raikitra izay azo antoka fa ho betsaka ny fitoriana handeha ? Raha ny sary mitranga, betsaka ny ahiahy. Tsy nofanina tsara ve ohatra ireo solontenan’ny CENI isaky ny Birao fandatsaham-bato sa tetika efa voamona matoa misy fitanana an-tsoratra na «PV» nasaina nosoniavina mialoha ka sanatria izay tiana hosoratana ao no atao avy eo ? Mazava sy mangarahara ve ny isan’ny « PV » manerana ny Nosy sa misy fiandry izay mety hampiasaina hanatsimbadihana vokatra ? Nahoana ohatra ny BV tokony ho an’ny distrikan’i Betroka no hita tamin’ny birao fandatsaham-bato tetsy Anosibe sa efa fantatra fa ambany ny taham-pandraisana anjara any dia aleo hampiasana teto Antananarivo ka sanatrian’ny vava hoenti-manao kajy maloto ? Ahoana no hisian’ny bileta efa vita foritra sy ireo voalaza fa nivoaka nialohan’ny fotoana sy efa voamarika ho an’ny kandidam-panjakana? Manao ahoana ihany koa ny fikirakirana sy fanamarinana ny bileta tsy nampiasaina ? Tena hifanaraka amin’ny isan’ny bileta natonta sy ny nampiasaina ary ny ambiny ? Manao ahoana ihany koa ny momba ny tranga fahitana olona manana kara-pifidianana kanefa tsy tao anaty lisitra ? Tranga isan’ny nampiahiahy ihany koa ny fisiana kara-pifidianana maro be tratra tany aman’olona, izay ahiana ho vokatry ny teti-dratsy niainga tany amin’ny fanoloana sefom-pokontany, izay betsaka ny tranga nanaovana izany nialohan’ny fifidianana,… Hotsotsorina sy hohamaivanina amin’ny azo raisina fa tsy mitombina ka hampandresena kandidam-panjakana tahaka ireo efa niseho teo aloha ve ? Efa fantatry ny eo amin’ny fitondrana fa tsy hivaona amin’ireny tany aloha ireny ve ka tsy nanana ahiahy tamin’ny teti-dratsy nialoha nandritra ary izay mety hitranga taorian’ny fifidianana ny kandidam-panjakana. Na ny tsy tahan’ny mpifidy ambany dia ambany aza, dia isan’ny antony lehibe ny tsy fahatokisana ireo rafitra mpikarakara sy mpitsara ny fifidianana. Tsy misy hafa-tsy ny 22,7-%-n’ireo olom-pirenena no tonga nifidy hatramin’ny 12 ora atoandro, raha ny tatitry mpanara-maso Safidy omaly. Tompon’andraikitra feno amin’izao mety hitranga aoriana ny CENI sy ny HCC raha sanatria ka miseho ny korontana samihafa izay mety ho fipoahana eto amin’ny firenena eo anatrehan’ireo tranga mampiahiahy ara-pifidianana samihafa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT