FIFIDIANANA madio sy mangaraharaha

Mitaky ny ahazoana ny lisitry ny mpifidy ny Tia Tanindrazana


  • Talata 19 Novambra 2024

Nanatitra taratasy sady nangataka fihaonana tamin’ny filohan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena

misahana ny fifidianana (CENI) ahazoana ny lisitry ny mpifidy (Registre électoral national) , ny antoko Tia Tanindrazana sy ireo mpiaradia aminy. Afaka mangataka tsara izany ny kandida sy ireo mpanolotsaina izay eken’ny lalàna. Nisy ny lesoka, sy ny zavatra azo tamin’ny fifidianana filohampirenena sy fifidianana solombavambahoaka farany teo . Ny ahiahy tsy ihavanana, hoy ny mpahay lalàna Ramanamizao Vola Ny Aina, koa mba hisian’ny fifanajana dia mitaky ny mangarahara izahay , hoy izy momba ny lisitry ny mpifidy sy ny bileta tokana raha hiresaka fifidianana madio marina isika. Ny bileta tokana moa dia anisan’ny niteraka resabe ny taona 2023 sy 2024 indrindra eo amin’ilay « numéro de série » izay tokony mifandraika sy mifanandrify amin’ny vato narotsaky ny mpifidy ao amin’ny vata. Ny nampiahiahy anefa tamin’ny fifidianana nisy teto dia misy « numéro de série » tokoa ilay « souche » na ilay nakana ny bileta tokana, saingy tsy misy « numéro de série » mifandraika amin’iny ilay bileta tokana narotsaka tanaty vata. Tsy misy azo hanamarinana mihitsy izany hoe vato avy aiza marina ireo ao anaty vata ireo. Farany moa dia nambara tamin’ny CENI ihany koa ny momba ny karapanondrom-pirenena, izay toa misy fanangonana tampoka izany, angonona atao inona ? ahoana ny fanarahamaso ny mety ho fiantraikan’izany amin’ny zotram-pifidianana sy ny voka-pifidianana. Izao no natao moa dia mba hampisy ny mangaraharaha sy ny fanajana ny lalàna.Manara-maso akaiky ny zava-drehetra ireo mpahay lalàna sy mpisolovava an’ny Tia Tanindrazana satria saropady sy masina ny safidim-bahoaka, ary ny ho avin’ny firenena no resaka raha vao fifidianana.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT