Politique

Fifidianana Loholona Vonona ary handray anjara ny TIM


  • Alatsinainy 09 Novambra 2015

Anio no misokatra ny fandrotsahana ny taratasy filatsahan-kofidiana ho loholon’i Madagasikara.

 

 Ankoatra ny antoko  Arema  izay efa  nanao fanambarana ny faran’ny faran’ny  herinandro teo amin’ny fahavononan’ny antoko izay  natsagan’ny  Amiraly Ratsiraka Didier ny amin’ny  fahavononan’izy ireo handray anjara amin’ny amin’io fifidianana  io dia nanambara koa izao  ny solombavambahoaka avy ao amin’ny antoko Mapar fa vonona ny handray anjara amin’izany fifidianana izany na tsy nanome anarana aza izy ireo.  

Toy izany ihany koa ny avy ao amin’ny antoko Tiko i Madagasikara, « Tsy  mbola  manana  lisitra  izahay  saingy  vonona  izahay ny  handray anjara ary  hanao », hoy ny  fanambaran’ny  solombavambahoaka Randrianarisoa Guy Rivo avy  ao amin’ny Tim. Tsiahivina fa ny faha 29 desambra  ho avy izao no hanatontosana  ity  fifidianana  loholona ity ka loholona   fito isaky ny faritany no hofidian’ireo mpifidy  lehibe  amin’izany izay ahitana ny ben’ny tanàna sy  mpanolotsaina  ary  ireo solombavambahoaka. Ny 21  ambiny  kosa no hotendren’ny Filohan’ny repoblika.


Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT