Politique

Fifidianana loholona Vidian’ny HVM lafo ny avonavony


  • Talata 22 Desambra 2015

Miditra amin’ny herinandro farany ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana loholona, izay hotanterahina amin’ny 29 desambra 2015.

 

Mifaninana mitety ireo Faritra sy ireo disitrika, mandresy lahatra ireo mpifidy vaventy ao aminy ireo antoko manana olom-boafidy maro. Any Matsiatra Ambony dia manomboka sahirana ny HVM, izay ny lehiben’ny Faritra teo aloha, Rina Andriamandavy VII no lohalisitra. Tadidin’ireo Ben’ny tanàna ny fahasarotana miharo familafilana mba tsy hilazana fa avonavona mahazo azy ireo rehefa mba tonga ao Fianarantsoa, mangataka fihaonana amin’ingahy lehiben’ny Faritra. Matetika no miveri-maina. Noho io avonavona io, dia misy andiana Ben’ny tanàna, voafidy tamin’ny antokon’ny fitondrana, milaza tsotra izao fa tsy hifidy an’io kandida io. Fantatry ny HVM tsara io tranga io, ary mety ho izay no nidinan’ny mpanam-bola mpanohana ny HVM any Fianarantsoa nanomboka ny faran’ny herinandro teo, hanasa atidoha ireo mpifidy vaventy.

Rabri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT