Nambaran’ny filohan’ny vondrona parlemanteran’ny antoko Mapar
, Razafitsiandraofa Brunel tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana teny Tsimbazaza omaly, fa efa fantatra avokoa ny anaran’ireo ho kandidàn’ity antoko ity manerana ny Faritany 6 amin’ny fifidianana ho tanterahina ny 29 desambra ho avy izao. Nambarany fa tsy tafiditra ao anatin’ny lisitra i Andry Rajoelina filoha mpitarika ity Mapar ity na dia nandeha be aza ny feo tao ho ao fa mety ho anisan’ny tsara toerana hitarika ity rafitra mpanao lalàna iray ity ny tenany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.