Nanomboka omaly 9 novambra ka hifarana ny alatsinainy 16 novambra ny fametrahana ny antontan-taratasy ho an’ireo kandida ho loholona amin’ny fifidianana ho tanterahana ny 29 desambra ho avy izao
.Ny OVEC isaky ny renivohim-paritany no mandray ny antontan-tartasy, tsy dia mifanalavitra tamin’ny dosie nokarakaraina tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna no takiana amin’ireo kandida loholona izay tsy maintsy feno 40 taona no mihoatra, mizaka ny zom-pirenena Malagasy sy ny zo isam-batan’olona eto Madagasikara.Misoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana ary ara-dalàna amin’ny fandoavan-ketra.Mpifidy lehibe rafetin’ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny tanàna no hifidy ireo loholona ary lisitra tahaka ny tamin’ny fifidianana kaominaly farany teo no ho fidina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.