Politique

Fifidianana loholona Nanjaka ny teritery tany Toliara


  • Alarobia 30 Desambra 2015

Tena nanjaka tanteraka ny teritery omaly tany amin'ny distrika maro ao anatin'ny faritanin'i Toliara raha araka ny nambaran'ny tompon'andraikitra iray eo anivon'ny antoko MONIMA.

 Ireo mpifidy vaventy nandatsa-bato no voakasik'izany izay tsy omaly fotsiny ihany fa efa hatramin'ny herinandro mihitsy. Raha araka ny nambaran'ity tompon'andraikitra ity dia nahazo fandrahonana ny isaky ny kaominina izay mety tsy hahazo fanampiana intsony raha tsy mifidy ny kandidam-panjakana, izany hoe ny HVM raha norahonana hosoloina PDS ny sasany ankoatra ireo nolazaina fa mety halana tampoka amin'ny toerany. Narahina maso hatramin'ny ora farany izy ireo omaly raha tonga nandatsa-bato na tsia, hoy ity tompon'andraikitra ity hatrany niampy hoe : an'iza ny vato nalatsany ? Tohana noho io tranga io ny filohan'ny antoko MONIMA omaly ka  lasa nidina tany Toliara nihaino ny fitarainan'ireo Ben'ny tanàna rehetra. Tsiahivina moa fa tontosa araka ny tokony ho izy ihany ny fifidianana loholona natao tany an-toerana omaly na izany aza no zava-nitranga. Ho an'Antananarivo manokana dia nambaran'ny Ben'ny tanàna Lalao Ravalomanana fa tsy nisy ny teritery na kely aza fa nandeha tamin-kalalahana izy ireo. Ny lehiben'ny distrika sy ny lehiben'ny faritra kosa no voalaza fa tena nanao izany teritery izany tany Toliara.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT