Politique

Fifidianana Loholona Mifanipakana anatiny ny samy HVM


  • Alatsinainy 16 Novambra 2015

Tsy manaiky ny fanendrena izay ho Loholona hisolotena an'i Moramanga sy Anosibe An'Ala ireo fikambanan'ny Ben'ny tanàna ao anatin'ireo Distrika roa ireo, araka ny fanambarana nataon’izy ireo omaly

 

. Fantatra anefa fa efa mivory any Toamasina ilay voalaza fa misolotena an'ireo Distrika roa ireo. Velon-taraina, araka izany, ireo mpikambana HVM ao Mangoro ary nanamafy fa tsy hanohitra fitondrana izy ireo fa mangataka ny hanajana ny hetahetan'izy ireo satria anisan'ny Distrika tsara indrindra ny voka-pifidianana tamin'ny fametrahana ny filoham-pirenena, indrindra ny fananany Ben'ny tanàna maro an'isa HVM tamin'ny fifidianana farany teo. Nanamafy ihany koa ireo mpikambana fa tsy mahafantatra an'ilay olona hirotsaka hofidiana ao Moramanga sy Anosibe An'Ala izy ireo ary tsy mbola nanana fiaraha-miasa na dia nifanerasera aza. Milaza ireo mpifidy vaventy sy mpikambana HVM any Mangoro fa manana kandida efa vonona sy nosafidian’ny avy aty ifotony ka mangataka ny hanemorana ny daty fara-fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidina ho Loholona izy ireo.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT