Manoloana ny fanakianana maro manodidina ny fikarakarana ny fifidianana ny Antenimierandoholona dia naneho ny heviny ny mpahay lalŕna Rakotomanana Honoré,
izay mpanolotsainan’ny praiminisitra ankehitriny sady efa filohan’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana. «Hitana andraikitra lehibe eo amin’ny fampiharana ny politikan’ny fanapariaham-pahefana sy ny fitsinjarana izany ny Loholona. Mila tsapan’ny mpifidy ihany koa fa iankinan’ny fampandrosoana isam-paritra misy azy ireo avy ny vokatry ny safidiny eo ka tsy tokony ho maimaika noho izay mety ho foto-kevitry ny antoko fa ny olona mety hijery sy hahavita ny fametrahana ny politikan’ny fampandrosoana isam-paritra no fidiana», hoy ny nambarany. Momba ilay fitarainan’ny mpitarika politika sasantsasany ny amin’ny tsy fetezan’ny fanasiana vata fandatsaham-bato isaky ny Kaominina, mba hahamora ny fanaraha-maso ny vato alatsaky ny mpifidy, hono, dia nandroso vahaolana ihany koa ity mpahay lalàna ity. Tokony hametraka delegen’ny kandida isaky ny biraom-pifidianana ny mpilatsaka hofidiana mba ahafahana manara-maso ny fizotry ny fifidianana, hoy izy. Mety ho sarotsarotra izany araka ny nambarany, saingy rehefa tiana ny hananana antoka amin’ny vokatry ny fifidianana dia tsy misy afa-tsy izay no vahaolana. Atoa Rakotomanana Honoré ankehitriny dia ao anatin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna momba ny fampihavanam-pirenena izay hivoaka tsy ho ela.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.