Politique

Fifidianana Loholona Ireo kandidan’ny TIM


  • Alakamisy 12 Novambra 2015

Manana ny kandidany amin’ny fifidianana loholona hotanterahana ny 29 desambra ho avy izao ny antoko Tiako i Madagasikara ka araka ny tsiliantsofina re dia tafiditra ao anatin’izany avokoa ireo filoha lefitra ao amin’ny birao politika tahaka an-dRamatoa sy Andriamatoa isany Olga Ramalason, Ahmad, Fernand, Mémé, Zafilahy, Naika Eliane. Ao anatin’ny lisitra ihany koa i Mamy Rakotoarivelo sy Kaleta.

 


 

 Ny TIM no antoko politika manana ben’ny tanàna maro indrindra eto Madagasikara aorian’ny antokon’ny fitondrana ary mahatoky fa ho lany ireo kandida atolony ireo satria samy manana ny maha izy azy any amin’ny faritra misy azy ireo tsirairay avy. Tsy resaka olona fa tena fiainan’antoko sy fiainam-pirenena no mibaiko anay, hoy i Mamy Rakotoarivelo  ary manana ny fandaharanasanay mazava izahay.Ny 08 Ka hatramin’ny 28 desambra moa  ny fampielezan-kevitra amin’ity fifidianana loholona ity, miisa 63 no isan’ny loholona ka ny 21 amin’ireo dia tendren’ny filoham-pirenena ary ny 42 kosa dia ireo mpifidy vaventy no mifidy azy ireo ka fito isaky ny faritra. Mahatratra 12 892 ny isan’ireo mpifidy vaventy ireo manerana ny nosy. Mitovy amin’ny fepetra tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna ihany ny fepetra ahafahana mirotsaka ho loholona ka eny amin’ny OVEC isaky ny renivohi-paritany no hanaterana ny dosien’ireo kandida.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT