Politique

Fifidianana Loholona Hatao kitoatoa ?


  • Alarobia 18 Novambra 2015

Taorian’iny fifidianana Ben’ny tanàna natao farany teo iny dia Kaominina 150 no mbola manana didim-pitsarana tsy mivoaka tamin’ireo raharaha nalefa tany amin’ny Fitsarana ady madio.

 

Ireo Ben’ny tanàna izay nambaran’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana fa mitarika tamin’ny isam-bato azony anefa dia hifidy Loholona amin’ny 29 desambra ho avy izao miaraka amin’ireo mpanolotsaina azy ireo isanisany. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe : hanan-danja ve ny vokatry ny fifidianana Loholona nataon’ireo Ben’ny tanàna 150 ireo sy ny mpanolotsainy raha toa ka mamoaka didy indray ny Fitsarana any amin’ny ady madio sy ny any amin’ny Fitsarana ambony fa resy indray ireo efa am-perinasa. Sa ve mba hiarovana izay ho vokatry fifidianana eo dia tsy hisy omena rariny intsony ireo taratasy mbola an-dalam-pitsarana ? Tsy nisy na dia iray aza mantsy nangataka na nahazo didy fandravana tamin’ireo antontan-taratasy 150 ireo. Fifidianana mampieritreritra tokoa fa atahorana ho lasa petatoko.

Rabri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT