Hotanterahina amin’ny heriny anio ny latsabato amin’ny Fifidianana ny 42 amin’ireo Loholona miisa 63 handrafitra ny Antenimierandoholona.
Azo isaina amin’ny ratsan-tanana sisa ny andro tena ananan’ny mpifaninana manatanteraka fampielezan-kevitra, noho ny fetin’ny krismasy. Mafotaka ny fandresen-dahatra ireo mpifidy vaventy. Nitety ireo Distrika ao anatin’ny Faritra Amoron’i Mania ny Tiako I Madagasikara, tarihin’ny kandida lohalisitra Rakotonomenjanahary Jean Ernest dit Mémé, tao anatin’ny roa andro rehefa avy any Atsimo Atsinanana. Ny tao Ambositra fotsiny dia 53 ireo mpifidy vaventy tonga tao amin’ny lycée Benjamin Escande nifampidinidinika tamin’ny kandida TIM, izay manana an-dRapelanoro Rabenja Harivelo Aimé ao Amoron’i Mania. Resy lahatra amin’ny foto-kevitra sy vinam-pampandrosoan’ny TIM ireo mpifidy vaventy ary manome fotoana amin’ny 29 desambra, fa alarobia tsy miverina io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.