Hatramin’ny omaly hariva dia tsy mbola nisy kandida Loholona nanatitra ny taratasy filatsahany hofidiana.
Etsy an-kilany anefa dia efa nahatratra 32 ireo naka ny antontan-taratasy filatsahana. Efa samy nandalo tao amin’ny OVEC Analamanga avokoa ireo solontenan’ny antoko vaventy toy ny Tim, Hvm, Mapar ary ny Arema. Tsikaritra ihany koa, hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny OVEC Analamanga fa maro ihany koa ireo mitonona ho kandida mahaleotena tonga maka taratasy filatsahan-kofidiana eny Nanisana. Ankoatra izay dia maro ihany koa ireo izay mikasa hilatsaka hofidiana any amin’ny faritany saingy mandalo eto an-drenivohitra dia mananaraotra maka avy hatrany izany antontan-taratasy izany eny amin’ny OVEC Analamanga. Tsiahivina fa manana hatramin’ny alatsinainy hariva hatramin’ny 5 ora hariva izay hilatsaka hofidiana hametrahany ny taratasy filatsahany.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.